Hiondrana any Singapour ny alarobia 18 mey ho avy izao ny filoha Hery Rajaonarimampianina sy mpikambana vitsivitsy ao amin’ny governemanta,
tale sy teknisianina ary solontenan’ny sehatra tsy miankina fa hoe hiatrika hetsika ara-toekarena, dia ny « Madagascar-Singapore business forum ». Misy tokoa ny antontan-taratasy momba io hetsika io. Ny mahagaga, rehefa nikaroka sy nanadihady ny mpanao gazety dia tsy misy ny fanambarana ofisialy ny fisiany mihitsy any an-toerana (Singapour), na amina toerana hafa any Azia. Hetsika ara-toekarena antsoina hoe : « Productivity and Innovation Credits » no mitranga amin’io datin’ny 18 mey 2016 io fa tsy izany « Madagascar-Singapore business forum » izany mihitsy, izay karakarain’ny Singapore Business Federation, rafitra nolazaina (an-taratasy) fa tokony hikarakara ilay hetsika handehanan’ny filoham-pirenena Malagasy.
Atao fanadihadiana
Avy amina loharanom-baovao hafa avy any amina fikambanana iraisam-pirenena any ivelany no nahafantarana fa voaantso hiatrika fanadihadiana na hanontanina na halaina am-bavany ny filoha. Mety manana ny fomba filazany azy moa ny filoha Hery Rajaonarimampianina momba ireo boaderozy tratra tany Singapour ka maha voarohirohy teratany Sinoa avy eto Madagasikara ary maha voatonontonona anarana manampahefana sy mpandraharaha Malagasy fanta-daza. Ny alarobia 18 mey no fantatra, araka io loharanom-baovao io fa hanadihadiana ny filoha Malagasy. Mbola io loharanom-baovao io ihany no nahafantarana fa hiverina any Singapour any amin’ny faramparan’ny volana jona any i Hery Rajaonarimampianina mbola noho io raharaha boaderozy io ihany. Tsiahivina fa ny taratasy nalefan’ny governemanta Jean Ravelonarivo nilaza fa tsy ara-dalàna ny taratasin’ireo boaderozy tonga any Singapour ireo no nampihetsika indray ny raharaham-pitsarana. Teo aloha mantsy dia nilaza ny governemanta Kolo Roger fa ara-dalàna ny taratasin’ilay entana. Ny taona 2014 no nahatrarana ireo bolabolana boaderozy miisa 30 657 ireo, izany hoe vao tonga teo amin’ny fitondrana i Hery Rajaonarimampianina. Ny 15 febroary 2014 no niainga tao amin’ny seranan-tsambon’i Toamasina ny sambo MV Oriental Pride nitondra ireto hazo sarobidy ireto ary tonga tany Singapour ny 11 martsa 2014. I Mozambika, Tanzania, Singapour, Sri Lanka, Chine ary Hong Kong dia efa nahatrarana boaderozy Malagasy naondrana an-tsokosoko avokoa, araka ny tatitra avy amin’ny CITES.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.