Politique

AFDL Fitoniana ara-politika vao fifidianana


  • Zoma 03 Aogositra 2012

Fikambanana mpitolona manohana ny fitakiana ny fiverenan’ny filoha Marc Ravalomanana an-tanindrazana hatrizay nanombohana ny tolona tamin’ny 2009 izay ary tsy mbola tapaka niakatra kianja (Ambohijatovo, Ankorondrano, Tanjombato, Behoririka) ny AFDL (Amicale des Femmes Démocrates Libérales).

 Mbola tazoninay hatrany io tarigetranay io, hoy ny solontenan-dry zareo tafaresaka tamin’ny Tia Tanindrazana teny amin’ny Magro Behoririka omaly. Takianay hatramin’ny farany, hoy izy ireo, ny fampodiana ny filoha Marc Ravalomanana fa any no misy vahaolana na inona na inona, na ahoana na ahoana. Izy ihany no fantatray ary avy aminy no varavarana hivoahana amin’izao fahoriana tsy tambo isaina izao fa ny fitondrana FAT dia iaraha-mahita io fa manao ny saim-pantany hatrany, manosihosy ny zo fototra mahaolona amin’ny lafiny maro.

Vao farany teo ohatra ny toetra mamohehatra nasehony teny Ivato tamin’ny fahatongavan’ny Neninay Lalao Ravalomanana ireny. Tsy ao amin-dry zareo (FAT) mihitsy ny fahavononana hiala amin’ny savorovoro lava mba hisian’ny filaminana eto amin’ny tanàna nefa ny vahoaka efa mijaly fadiranovana. Takianay vehivavy AFDL marindrano ny fitoniana ara-politika voasoratra ao anaty sori-dalana mba hirosoana amin’ny fifidianana. Raha tsy eo io filaminana io tsy hisy fifidianana ho vanona izany eto. Heverinay, hoy izy ireo, fa ny fifandeferana no lalana mankany amin’ny fandrosoana ka izahay dia sahy hampandroso ny firenena amin’ny alalan’ny fanarenana ny tandrify anay satria izahay dia vehivavy voatafim-pitahiana ho an’ny ankohonany sy ho an’ity firenena Malagasy ity.

Manohy                                                 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Antoko politika MONIMA
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

Mitaky ny fanovàna ny rafitra

  • Fanovana ny
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

fomba fitantanana ny Firenena.

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

Hijery ny tohiny
FTT