Nanao dia mihemotra ny fanjakana Rajaonarimampianina rehefa manomboka mangotraka ny raharaha teny Soamahamanina,
mitaky ny hialan’ny Sinoa mitrandraka volamena eny an-toerana ny mponina. Ny nanilika ny rihitra any amin’ny mpanohitra no nihazakazahan’ny governemanta fa hoe : manararaotra io raharaha io hanozongozonana ny fitondrana Rajaonarimampianina. Nanao tati-baovao manokana mihitsy aza ny governemanta fa efa tamin’ny jolay 2006 ny genesisin’io raharaha Soamahamanina io, nanomezan’ny faha fitondrana Ravalomanana fahazoan-dalana olona iray hitsirika volamena teny an-toerana. Tao anatin’io tati-baovao naparitaka tamin’ny mpanao gazety io ihany anefa ny governemanta no miaiky fa ny taona 2015, no nomen’izao fitondrana Rajaonarimampianina izao, fahazoan-dalana hitrandraka volamena ao Soamahamanina ilay orinasa sinoa Jiuxing. Tampoka teo indray moa dia, nandraisan’ny filankevitry governemanta fanapahan-kevitra, ny talata teo, fa ahantona (stand-by) aloha io fitrandrahana io, fanapahan-kevitra izay tsy nasian’ny filankevitry ny minisitra resaka akory omaly alarobia. Inona no ao ambadik’ilay hoe : “stand-by” ? Mbola hiady varotra ve ny fitondrana ka hanararaotra ny hetsi-panoheran’ny vahoaka eny Soamahamanina mba hanerena ny Sinoa hampakatra ny tontona ? Maninona no miazoazo fa tsy narahina avy hatrany fanesorana tsy misy hatak’andro ireo milina vaventy sy fiarabe mitoby eny an-toerana ny fepetra noraisin’ny governemanta raha tena mitsinjo marina ny filaminan’ny fiarahamonina izy ? Izao tranga izao anefa dia maneho indray fa fitondrana mandroso mihemotra amin’ny fanapahan-kevitra raisiny ity misy ity. Nihemotra izy rehefa nitsivalana nanapaka ny fifandraisany tamin’ny fanjakana ny mpandraharaha vokatry ny fikasana hampiharana ilay “Advance Cargo Declaration (ACD)” any amin’ny ladoany. Nanome alalana ny hijoroan’ny Fiangonana ECAM (Eglise Catholique Apostolique Malgache) manana ny foibeny tany Bekily izao fitondrana izao tamin’ny desambra 2015, avy eo niverin-dalana, nihazakazahany nofoanany tamin’ny volana aprily 2016. Nitory mpanao gazety roalahy tao amin’ny gazety Le Matin, dia Jean Luc Rahaga sy ny Didier Ramanoelina, ny minisitra tao amin’ny governemantany. Nalefan’ny fanjakana teny amin’ny fonjan’Antanimora izy roalahy no ny famoanana fanehoan-kevitr’olona tao anaty gazety. Nihetsika ny mpanao gazety nitaky ny hamoahana azy roalahy, may volon-tratra ny fitondrana dia navotsotra malaky izy roalahy.
Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.