Politique

Ady tao Anosikely “Very hasina ny lapa”, hoy i Camille Mektoub


  • Alarobia 14 Septambra 2011

“Maninona no tonga amin’ny “arts martiaux” ny tranga ao Anosikely ?”, hoy ny fanontanian’i Camille Mektob tetsy amin’ny kianjan’ny Magro omaly talata.

 Loholona no tokony ho ao fa vao lasa CST dia very hasina ilay lapa, hoy izy. Tsy sivana fa tonga dia mivantana no nandraisan’ny vahoaka malagasy ny vaovao. Ilay toetra mpamadika tanindrazana sy ny namana no nisafidianana ireny olona ireny, ary marina ny tenin’i Voninahitsy fa bôjo ny toerana ao, hoy ihany izy. Tsy misy vahaolana hoentin’ireo izany ao fa ireny no vokany. Ady manara-penitra ireny hita tao Anosikely ireny, hoy izy. Vao fonksionera Troika no tonga dia efa miady an-trano. Ahoana rehefa tonga ireo minisitry ny SADC ? Tena sarotra tokoa “iny lalana iny”, hoy ny hira novetsoin’ny Pastera Edouard Tsarahame tao an-kianja omaly ary nampisioka ny olona ka najanony avy hatrany. Nanaraka hatramin’ny farany an’ilay hira iray noventesiny kosa anefa ny olona tamin’ny hoe : “ny firenena izay hatsangantsika dia firenena tena vanona ka ndeha hiaraka hihira isika hoe : Tiako i Madagasikara”.


Manohy

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

  • ZAZA RAMANDIMBIARISON
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Tsy tokony ho tara ny

  • Pastera Heritiana
  • Talata 06 Oktobra 2026

_Fampandrosoana an’i Madagasikara

  • FAMPIHAVANANA POLITIKA
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy tokony atao fitaovana

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Ny Mpitandrina Barinarivo

Hijery ny tohiny
FTT