Politique

Ady tany ao Ambohijanahary Zandary no miaro mpanao hosoka


  • Zoma 10 Febroary 2012

Veleran-tany mirefy 4ha22a no miteraka disadisa any amin’ny Kaominina Ambohijanahary Distrikan’Amparafaravola.

 Tany efa vita Titra tamin’ny taona 1994 no nisy nanao Titra hafa indray ny taona 1998. Voamarina tao amin’ny Fitsarana ny taona 2007 fa hosoka ilay titra nalaina ny taona 1998 io ka nanapa-kevitra ny Fitsarana tamin’izany fotoana izany ny hanafoana io titra faharoa io. Nambaran’Atoa Rakotomahefa Pierre tamin’ny mpanao gazety tao Ambatondrazaka ny alarobia 08 febroary teo fa efa ela no nokarohin’ny Fitsarana ilay olona nanao ilay titra tamin’ny taona 1998 fa saingy miafina sy tsy hita hatramin’izao. Henjehin’ny lalàna noho ny hosoka nataony mantsy io olona io kanefa misy mpitandro ny filaminana zandary kilasy voalohany manafina sy manampy azy. Ireo olona mamboly eo amin’ilay tany dia voafitaka sy voky lainga, hoy ihany Atoa Rakotomahefa Pierre ka manaiky ataon’ilay zandary sy ilay mpanao hosoka fitaovana hahazoana ilay tany. Tsy handefitra manana ny rariny izahay, hoy Atoa Rakotomahefa Pierre fa hiezaka hitondra ny porofo rehetra eo anatrehan’ny mpahay lalàna sy ny tomponandraikitra isan’ambaratongany.

NIRY A

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

Hijery ny tohiny
FTT