Politique

Ady sarotra


  • Alarobia 20 Janoary 2016

Tonga teny Iavoloha niarahaba ny filoham-pirenena noho ny taom-baovao ireo mpikambana ao amin’ny filankevitra ambonin’ny mpitsara na CSM omaly, notarihan’ny minisitry ny fitsarana.

Ny filohan’ny repoblika moa no filohan’ny CSM. Sarotra dia sarotra ny asan’ny mpitsara ka nampirisika hatrany azy ireo hanao an-tsakany sy an-davany ny asany araka ny lalàna velona ny filoha. Voaresaka isan’andro tamin’ny gazety sy ny filazam-baovao tato ho ato izany ny mpitsara noho ny raharaha fakana an-keriny tany Toamasina. Niaro tena avy hatrany moa izy ireo ka nilaza fa tsy misy idirana mpitsara na iray aza iny resaka iny . Tsy arak’izay loatra anefa ny vaovao mivoaka, ary na ny minisitry ny fitsarana aza dia nilaza fa ny valin’ny fanadihadiana irery ihany no hahafantarana ny tena marina. Azo antoka fa voaresaka teny Iavoloha iny raharaha iny omaly ka asa izay ho tohiny. Tena maro ny Malagasy velon-taraina amin’ny afitsoky ny mpitsara, ary sehatr’asa voasokajy ho tena anjakan’ny kolikoly ny fitsarana eto amintsika. Ambetin-dresaka ombieniombieny koa ny hoe fahaleovantenan’ny fitsarana, izay toa karazana nofinofy ihany aloha raha ny fahitana azy hatramin’zao satria mibaribary loatra fa tena mijabaka amin’ny asan’ny mpitsara ny fahefana mpanatanteraka, ary tsy afaka manao ny asany araka ny tokony ho izy ny mpitsara. Etsy an-kilan’izay dia maro loatra ny fanapahan-kevitra hafahafa eo anivon’ny fitsarana ka mahatonga ny olona hilaza fa toa izay be vola ihany no tafavoaka sy voaaro tsara fa rehefa sahirana tonga dia any am-ponja. Tena mbola mila ezaka be raha ny tontolon’ny fitsarana Malagasy fa toa lasa fanambakana fa tsy fikarohana ny marina sy famaizana ireo nanao ratsy e !

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien Aimé
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT