Roa taona lasa izay dia nanao fanadihadiana tao Soanierana Ivongo ny Bianco Toamasina, araka ny fitorian’olona momba ny resaka halatra sy fanodinkodinana tanin’olona tao Ambodivoanio B
Nisy mpitory tao anatin’io raharaha io ny Ben’ny tanànan’i Soanierana Ivongo sy mpiasa mianadahy teo anivon’ny Birao Ifotony ny Fananan-tany (BIF) any an-toerana ary ny filoham-pokontany teo aloha sy ankehitriny. Taorian’ny nandefasan’ny Bianco any amin’ny Fitsarana ny firaketana ny fanadihadiana nataony dia nampisambotra ireo olona dimy voarohirohy amin’ity raharaha ity ny Fitsarana hanaovana fanadihadiana momba ny heloka anenjehana azy ireo. Ny alakamisy teo no niakatra teo anivon’ny “Chaine Pénale” Toamasina ny raharaha. Araka ny didy savaranonando nivoaka dia notanana am-ponja vonjy maika miandry fitsarana ny Ben’ny tanànan’i Soanierana Ivongo sy ireo ireo mpiasa mianadahy an’ny BIF any an-toerana, ary ireo filoham-pokontany teo aloha sy ankehitriny ao Ambodivoanio B.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.