Mbola mandravarava ny pesta, ary miitatra amina sehatra maro samihafa eto amin’ny firenena. Toa ny antontan’isa no voafehy, fa tsy ny pesta. Efa ny sehatra iraisam-pirenena no mandray an-tànana ny zava-misy.
Maro ireo teratany Frantsay eto Madagasikara, ary isan’ny firenena efa nampitandrina mafy ny terataniny ho fiarovana azy ireo ny fanjakana Frantsay. Ankehitriny dia nandefa ekipa mpitsabo handray anjara amin’ny fametrahana SAMU (Service d’Aide Médicale Urgente) hiandraikitra ny pesta eto Antananarivo i Frantsa Ho valin’ny fangatahana fanampiana avy amin’ny manam-pahefana Malagasy hametraka « Samu pesta » eto Antananarivo, noho ny traikefa hananany dia mandefa ekipa eto Madagasikara i Frantsa, handray anjara amin’ny famoronana ity sampana vaovao ity. Manao vonjy taitra amin’ny famonjena marary sy afaka mandray an-tànana azy vonjy maika no asan’io sampan-draharaha io any Frantsa. Ny ambasady frantsay eto Antananarivo dia nandefa fiangaviana tamin’ny sampan-draharaha ny krizy sy ny fanohanana (CDCS) eo anivon’ny Minisitera frantsay miandraikitra ny Eoropa sy ny Raharaham-bahiny izay nandinika tsy misy hatak’andro ny fangatahan’i Madagasikara ary nihetsika avy hatrany mba hanoherana ny valan’aretina amin’ny fomba mahomby indrindra. Ny ekipa ahitana ny Dr. Yves Poncelin Ny Raucourt sy Dr. Alban Forel, mpitsabo vonjy taitra, miaraka amin’ny Ramatoa Thérèse Darmedru, mpitsabo mpanampy (infirmière) amin’ny fanatoranana-famelomana , dia hiasa eo ambany fitantanana mivantana ny Ministeran’ny Fahasalamana eto Madagasikara mba hamorona rafitra karazan’ny SAMU . Tena ilaina ho an’ny kalitao sy ny fahombiazan’ny fanoherana eto an-drenivohitra ary manan-danja mba hampitsaharana ny fielezan’ny valan’aretina ity rafitra ity satria dia afahana mandray an-tanana amin’ny fomba haingana kokoa sy mirafitra ny tranga mampiahiahy sy ny fanakanana ny fihanaky ny aretina. Ny tanjona amin’ny fametrahana ny "Samu Pesta" dia ny hanome endrika mirindra an’ireo fepetra rehetra amin’ny ankapobeny efa noraisin’ny manam-pahefana Malagasy tompon’andraikitra eto Madagasikara, anisan’izany ny fisian’ny laharana an-taromby tokana vaovao "910 pesta vonjy taitra" sy ny fandrindrana eto Antananarivo ataon’ny Ministera Malagasy ny fahasalamana amin’ireo toeram-pitsaboana azo afindra miiasa 6 (fiara mpamonjy voina) mba handray an-tanana ny tranga mampiahiahy. Hihaona amin’ny Masoivohon’i Frantsa eto Madagasikara, Ramatoa Véronique Vouland-Aneini io ekipa io rahampitso 20 oktobra.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.