Efa mananika ny 700 ny vesatra azo hanenjehan’ny fitsarana ny filoha Afrikanina Tatsimo teo aloha Jacob Zuma, ka nitarika tany amin’ny fametraham-pialany; tafiditra ao anatin’izany ny kolikoly isan-karazany.
Henatra ho an’ny antokony sy ny firenena izany, ka tsy nisy fijerena tavan’olona ny fanenjehana. Afa-baraka izy ireo, ary sokajiana ho fandresena lehibe ny nialan’i Jacob Zuma tsy niandry akory ny latsa-bato momba ny fanonganana teny amin’ny antenimieram-pirenena. Mba aiza ho aiza amin’izany ny eto Madagasikara ? Maro ireo malazan’ny kolikoly manomboka any amin’ny tompon’andraikitra faratampony sy ny olona manodidina azy, saingy tsy voakitikitika. Anisan’ny voatonona ny olona sasany manodidina ny filoha, kanefa tsy misy tohiny ny raharaha. Tsy mba sahy manaja tena sy mametra-pialana ny tompon’andraikitra voakasiky ny kolikoly eto satria mety efa zary lamaody ao anaty fanjakana ao ny hoe : “mifampiaro isika”. Ny parlemantera moa dia nofinofy izay handray andraikitra. Firifiry ny anaran’ny olona ambony voatonona tamina resaka kolikoly no mba nanokafana fanadihadiana parlemantera ? Ny resaka malety sy vola no mikaonty ka mamadika ankitsirano ny vahoaka amin’ny alalan’ny firaisana tsikombakomba amin’ny mpitondra malaza amin’ny kolikoly sy ny afera maloto. Lojika raha tsy misy zava-banona ny fitantanana ny firenena satria na ireo heverina ho arofanina farany aza tsy sahy mijoro miady amin’ny fahalovana. Mila fiovam-penitra mahery vaika i Madagasikara raha te handroso fa tsy hampanjaka ny tsy maty manota lalandava.Tsy misy firenena anjakan’ny kolikoly mandroso izany.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.