Nohitsian’ny Filohan’ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana na ny HCC Atoa
Florent Rakotoarisoa omaly, fa mandeha ila ny ady amin’ny kolikoly eto amin’ny tany sy ny firenena noho ny tsy fahatanterahan’ny fanenjehana ireo tompon’andraikitra ambony voarohirohy amin’ny kolikoly avo lenta. Misy amin’ireo Praiminisitra na minisIitra teo aloha tokony hotsaraina any amin’ny Fitsarana avo na ny HCJ (Haute Cour de Justice) kanefa tsy mety tonga hatrany amin’ny farany ny raharaha noho ny sakana eo anivon’ny Antenimierampirenena. Mandeha ila ny ady amin’ny kolikoly indrindra eo anatrehan’ny fisian’ireo olom-panjakana ambony mandika lalàna, fa ireo manam-pahefana any ifotony ihany no voahenjika hatreto. Tsy misy ny fanenjehana kosa amin’ireo kolikoly avo lenta mahasaringotra olona ambony tahaka ireo mpikamban’ny governemanta teo aloha. « Efa mipetraka daholo ireo rafitra hiadiana amin’ny kolikoly dia ny Bianco, ny SAMIFIN (iadiana amin’ny famotsiam-bola), ARAI (Sampan-draharaha manao fanagiazana ireo harena azo tamin’ny tsy ara-drariny),… Ny zavatra tsapa anefa dia tahakany bokotra lobaka ity ady amin’ny kolikoly ity ka raha mivaralila ny atyambony, dia mivaralilala hatrany ambany », hoy i Florent Rakotoarisoa. Nambarany fa manao ny asany daholo ireo rafitra rehetra miady amin’ny kolikoly kanefa hatramin’izao ny HCJ izay mitsara ireo tompon’andraikitra taloha, efa 5 taona mahery izay, kanefa tsy misy dosie iray tonga any aminy. « Mivaralila ihany, ary mandringa ny ady amin’ny kolikoly, ka ny antony dia ny sakana ao amin’ny Antenimierampirenena, eo anivon’ny « Commission juridique » eo anivon’io andrim-panjakana io. Rehefa tonga any ny dosie dia teneniko mivantana hoe : tsy feno foana ny « quorum » na fetr’isa ao amin’ny antenimierampirenena dia tsy miasa ny HCJ », hoy hatrany i Florent Rakotoarisoa. Tao anatin’izay 5 taona nisian’ny HCJ izay, tsy mbola nisy na dosie iray aza tonga teo an-tanan’io HCJ io satria tsy mety feno ny fetr’isa noho ny mety ho tsikombakomba mandeha. Toa sary maneho fa natao ho an’ny mpangalatra akoho ihany raha mandray ohatra ny lalàna, fa ny mpangalatra na mpanodina volam-panjakana na fananam-panjakana amina miliara hasarotina ny fanenjehana. Noventesin’ny Filoham-pirenena sy nanaovana serasera mipoapoaka ary nampidirina anaty andry 3 hitondrana ny firenena mihitsy ny ady amin’ny kolikoly. Nankalazaina ho ren-tany ren-danitra ny fanaovan’ny Mpikamban’ny governemanta fianianana fa tsy hanao kolikoly ary manaiky hohenjehina. Tena serasera ivelany tahaka ireny tokoa ve no vahaolana handresena ny kolikoly sa ny fanamboarana sy fanatsarana ny lalàna mba ho azo henjehina daholo ny mpanao kolikoly fa tsy hoe : afaka mialokaloka eo ambany fahefan’ny antenimierampirenana ny mpikamban’ny governemanta voasaringotra amin’ny kolikoly avo lenta ?
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.