Ny 24 septambra ho avy izao no ho fantatra ny lisitr’ireo kandida nahafeno fepetra hiatrika ny fifidianana ben’ny tanàna amin’ny 27 novambra.
Ifantohan’ny sain’ny mpanara-baovao manokana ny momba an’Antananarivo Renivohitra satria tsy manana lanja politika mafonja izay ho ben’ny tanàna manaraka eo. Ny kandidan’ny IRD sy ny TIM aloha hatreto no tombanan’ny maro sahady fa mpifaninana roa goavana. Eo ihany ny politika fa ny fiainan’ny tanàna sy ny mponina ao aminy amin’ny ankapobeny mihitsy no mila fiovam-penitra mahery vaika. Renivohitr’i Madagasikara Antananarivo kanefa dia voasokajjy ao anatin’ireo tanàna mikorontana indrindra maneran-tany. Tsy vahaolana ny fandanian’andro hikaroka ny tsy nanao sy nahatonga izao korontana sy loto izao fa izay kandida manana programa matotra sy maharesy lahatra ny olona fa handamina ny renivohitra no hanana tombony. Olana iray lehibe ho an’Antananarivo ny mpivarotra amoron-dalana sy efa anaty arabe, ny fako, ny fitohanan’ny fifamoivoizana, ny fanorenana gaboraraka, ny tsy fandriampahalemana, ny tsy fahampian’ny jiro manazava lalana sy elakelatrano amin’ny alina.Nahazatra teto hatramin’izay ny fifanenjehana eo amin’ny mpiasan’ny kaominina sy ny mpivarotra saingy toa vao miha nitombo ihany ny mpivarotra an’arabe..tsy vahaolana izany ilay manenjika sy maka entana fa mila zavatra hafa. Ny fako dia lasa natao hoe “Fako politika” satria tsy nety nivaha ny fifandirana na fifanilihan’andraikitra teo amin’ny kaominina sy ny fitondrana foibe. Mbola zavatra hafa ihany koa ny varotra hani-masa etsy sy eroa izay tena maro no tsy ara-pahasalamana ary anisan’ny antony iray miteraka loto eraky ny tanàna. Efa tena sempotra ihany koa Antananarivo noho ny fitomboan’ny olombelona mipetraka eto tato anatin’ny 15 taona, hany ka tsy maharaka intsony ireo fotodrafitrasa. Tena mafy ny miandry izay ben’ny tanàna ho avy manaraka eo satria tsy hilamina ao anatin’ny iray andro, na iray volana ny fomba fiainana mihoa-pefy eto an-drenivohitra ary tena mila fanabeazana, fampianarana sy fandraisana andraikitra anaty fahasahiana.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.