Nifantohan’ny adihevitra nanomboka ny faran’ny herinandro teo ny resaka fanesorana mpivarotra amoron-dalana eto Antananarivo Renivohitra.
Nisy mihitsy ny gidragidra ny zoma lasa teo tetsy Anosibe. Mitombo hatrany ny mponina eto Antananarivo, kanefa tsy mahazaka ny filana ny zavatra iainana eto. Tsy ampy ny asa, kanefa ny olona mirona miakatra an-tanàn-dehibe. Lasa mirohotra amin’ny sehatra tsy ara-dalàna, toy ny resaka varotra, bizibizina,… Tsy ny fanoherana na fisakanana ny firohotry ny olona tsy ho aty an-drevohitra no vahaolana eto Antananarivo. Tsy fidiny ho azy ireo izany, ary fitadiavana fiainana tsara kokoa sy vahaolana amin’ny iainana any ambanivohitra aza no andrandrainy. Zara fa misy mpampianatra ny zanany any, zara fa misy mpitsabo,... Manjaka ny jiolahy, hany ka ny vola kely azo tamin’ny fihariana miha tsizarizary mbola majifa, ary indraindray aza manaraka hatramin’ny aina. Ny anton’io, dia kely ny volam-panjakana tonga any an-toerana. Ny 80% amin’ny Malagasy dia ambara fa tantsaha miaina sy monina eny ambanivohitra, fa tsy tena mazava ny politikam-panjakana manoloana an’io. Anisan’ny vahaolana goavana amin’ny olana maro eto amintsika ny fitsinjaram-pahefana tena izy. Tsy ny resaka fitantanana fotsiny io fa tena ny ara-bola hatao mipaka eny ifotony. Mila fampandrosoana mifanaraka amin’ny filany ny mponina, arakaraka ny harinkarena misy eo aminy. Tahaka izany ihany koa ny fampianarana, ary tsy tokony hohamaivanina ny teknolojia izay tsy afa-misaraka amin’ny fampandrosoana.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.