Mila miala amin`ny kolontsain`ny tsimatimanota isika eto Madagasikara raha tiana handroso. Amin`ny ankapobeany, tafapetraka ao anatin`ny fomba amam-panao izay mahazo fahefana izany.
Ampy kosa izay ny fialokalofana amin`ny fanoavana politka entina manadio tena na manao fanamparam-pahefana. Sesilany ny fisamborana ary zava-dehibe saingy mila mandeha lavitra kokoa ary mijery ireo mpanao trafika isan-karazany. Tsy tokony hanavahana na iza na iza anefa raha tiana hiady amin`ny tsimatimanota. Ny serasera anefa bango tokana hoe mpomba ny fitondrana teo aloha no nanao ny tsy nety ka mandray andraikitra ny fanjakana ankehitriny. Izany hoe, olona meloka daholo ny mpitondra teo aloha. Iza anefa no tsy mahalala sy mahafantaratra fa misy olona eo amin`ny fanjakana ankehitriny no voasaringotra amin`ny raharaha samihafa. Tsy ny eo anivon`ny fitondrana ve no tena manao ny ataony amin`ny kolontsain` ny tsimatimanota amin`izay fisian`ny mizana tsindrina ila amin`ny fampiharan-dalàna? Tsy tokony hijanona amin`ny fisamborana ny fitondrana fa mampiseho fandraisana andraikitra amin`ny tsy fitanilana. Najoro ny rafitra “Pole anti-corruption” (PAC) mba hanampy ny BIANCO sy ny SAMIFIN. Ny voasambotra tsy fantatra izay ho tohiny kanefa hisambotra olon-kafa indray. Aiza ilay mangarahara? Mifanohitra an`izay nambaran`ny filoha Rajoelina ny zava-misy raha toa ka tsy fitsarana mitanila sy tsy madio no hitsarana an`ireo olona ireo. Fitsarana politika aloha no misy eto fa tsy fitsarana mahaleotena. Vao tonga teo amin`ny fitondrana ny filoha dia miendrika lonilony politika na lolom-po tsy voafehy ny fanapahan-kevitra noraisiny. Tao anatin`izay iray volana mahery nitondran`ny filoha Rajoelina izay dia hita fa mitanila ary ahiana ho fitaovana politika ny fitsarana ao anatin`ny fitantanana raharaham-panjakana.
Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.