Politique

Ady amin`ny tsimatimanota Afaka hiasa tsara ve ny HCJ ?


  • Alarobia 13 Novambra 2019

Nisokatra indray ny fanadihadiana mahakasika ireo tompon’andraiki-panjakana ambony nandritra ny fitondrana teo aloha izay voarohirohy amin’ny fanodinkodinam-bolam-panjakana. Minisitra telo no voasaringotra amin’izany.

 

 

 

Ny tonia voalohany ao amin’ ny fitsarana an-tampony moa no manao ny fanenjehana. Raha ny and. 133 ao anatin`ny lalàmpanorenana, ny antenimieram-pirenena no afaka mampiainga azy ireo amin’ny alalan’ny latsa-bato lanian’ny antsasamanila mahery. Manana fahefana feno hitsara kosa ny fitsarana avo (HCJ). Maro ihany anefa ireo dosie nalefan`ny BIANCO eny anivon`ity rafi-pitsarana ity saingy toa tsy nahitam-baliny avokoa. Misy amin`ireo antontan-taratasin`ady sy fitoriana ireo no efa nanokafan`ny Fitsarana Avo fanadihadiana; misy miandry ny fanapahan-kevitry ny Antenimieram-pirenena ny fanohizana ny famotorana noho ny voampanga izay mpitondra ambony amin`ny fanjakana. Hatreto anefa, tsy voafidy ireo solontenan`ny antenimieram-pirenena eo anivon`ny HCJ, izay efa tokony ho nofidiana herinandro lasa izay saingy nahemotra. Raha ny fantatra dia aorian`ny fifidianana monisipaly sy kaominaly no hanatanterahana azy. Midika izany fa mbola mandringa tanteraka ny HCJ. Marihana hatrany fa ny fitsarana avo irery ihany anefa ny fahefana afaka mitsara ireo olona ambony ireo. Inona moa no andrasan’ity andrim-panjakana ity no tsy mbola hita izay asany hatramin’izao ? Tena nandiso fanantenana ny vahoaka aloha ny HCJ hatramin’izao.

Marigny A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT