Politique

Ady amin’ny kolikoly Rafitra tena hahaleotena ny PAC


  • Zoma 03 Jona 2016

Ho rafitra mahaleotena amin’izay, tsy azon’iza na iza baikoana intsony no hapetraka eto amintsika manomboka izao hoenti-miady amin’ny kolikoly na ny PAC ( Pôles Anti-Corruption)

 

. Notanterahina omaly tetsy amin’ny DLC Anosy ny atrikasa dingana voalohany hametrahana izany narahin’ny fampahafantarana ampahibemaso ilay volavolan-dalàna mifandraika aminy. Antony, raha araka ny fanazavan-dRazafimandimby Tsiry,  tompon’andraikitra iray avy eo anivon’ny Birao mahaleotena iadiana amin’ny kolikoly sady mpikambana ao anatin’ilay komity teknika namolavola ny hetsika dia nandringa hatramin’izay ny rafitra amin’ny fampiharana ny lalàna  momba ny ady atao amin’ny koliloky teto amintsika. Tsy nisy ny rafi-pitsarana mahaleotena  afaka misahana izany  saingy ankehitriny efa hita ny vahaolana, hoy izy. Notsindriany fa  tsy ny mpitsara rehetra no afaka hanao io asa goavana io. Tsy maintsy madio sy marina mantsy sady mahay, eny fa na dia ho an’ireo mpiraki-draharaha ihany koa aza. Misy antoka sy fepetra manokana takiana amin’izay ho mpikambana ao amin’ny PAC mba tena hahaleotena amin’ny asany izy ireo. Hisy ihany koa ny fanadihadiana ara-moraly hentitra hatao amin’izy ireo. Tsiahivina fa ny PNUD no mpanohana akaiky ity fametrahana ny rafitra vaovao iadiana amin’ny kolikoly eto amintsika ity.

Pati


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien Aimé
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT