Politique

Ady amin’ny fampihorohoroana Hotsirihana ireo toerana mampiahiahy


  • Alarobia 10 Aogositra 2016

Nandritry ny 2 andro dia nifampizara traikefa tetsy Anosy mikasika ny resaka ady amin’ny famotsiam-bola ny asa fampihorohoroana ny teo

 

anivon’ny komisionina misahana izany aty amin’ny ranomasim-be indianina na ny COMESA sy ny avy eo anivon’ilay sampandraharaha Samifin, izay miandraikitra izany eto amintsika. Namaranana izay fifampizarana izay, io omaly io, ny famolavolana paikady entina hiadiana amin’ity asa fampihorohoana ity ary dia tapaka izany fa hisy ny fitsirihana ho atao any amin’ireo toerana nitrangana asa fampihorohoroana tato ho ato sy ny manodidina izany. Izany indrindra, araka ny fanazavan’ny talen’ny Samifin, no antony hisian’ny famatsiana fitaovana informatika ny eo anivon’ity sampandraharaha ity anio maraina. Ny toerana nitrangan’ireo asa ratsy, hoy ity tompon’andraikitra ity, no hiaingana amin’ny fanadihadiana mba hahitana ireo sehatr’asa afaka mifanampy amin’izy ireo, toy ny antokom-pinoana sasantsasany sy fikambanana tsy miankina ihany koa. Eo ihany koa, hoy izy, no hahafantarana ny maha ara-dalàna na tsia ny fikambanana miorina iray sao sanatria ialokalofan’ireo vondrona mpampihorohoro. Zava-dehibe, hoy hatrany ny tenany, ny fisorohana mialoha ny loza, fa indrindra, izay fahafahana manao fitsirihana izay.


Mirija

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien AimĂ©
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT