Ady amin’ny dahalo
Nisafidy ny 11 septambra ny FAT
Asa na kisendrasendra na dia tena nosafidiana mba hifanojo amin’ny “11 septambra” izay fahatsiarovana ratsy ho an’i Amerikana, tamin’ny nanapoahan’ny Al Qaida tamin’ny alalan’ny fiaramanidina roa samihafa ireo trano kambana mijoalajoala roa tao New York roa tamin’ny 11 septambra 2001, izany hoe 11 taona lasa izay. Taorian’io dia vaky tanteraka ny ady amin’ny terôrista na mpampihorohoro, ka nanaovana hazalambo an’i Ossama Ben Laden. Maty voafititra tao Abbottabad tanàna iray any
Horaisina ho toy ny terôrista ve ity raharahan-dahalo miseho any atsimo ity, ka nanaovana rodobe any an-toerana amin’izao fotoana sa seho mba hamaranana fotsiny ihany ny tsikera mivaivay ataon’ny vahoaka manoloana ny fitondrana amin’izao fotoana izao ? Tsy any atsimo ihany mantsy no miseho sy mahazo vahana ny halatra omby arahina vono olona fa amin’iny ilany andrefana amin’ny Faritra Amoron’i Mania sy Vakinankaratra mipaka any Menabe iny dia mirongatra koa ny halatra omby, ary vao herinandro lasa izay no namoizana kapiteny komandin’ny holafy 510 tao Belo Tsiribihina sy zandary komandin’ny borigady ao an-toerana miampy zandary mpiana-draharaha hafa. Ny fahombiazan’ny hetsika atao no andrasan’ny mponina izay efa miraviravy tanana, indrindra ny any ambanivolo ary mba ho fandriampahalemana maharitra no hisy fa tsy sanatria vitan’ny iraky ny mpampandry tany dia valifatin’ny malaso indray no sedrain’ny vahoaka.
Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.