Politique

Admistratera sivily Tokony hijanona manao ``contrôle de legalité`` fotsiny


  • Talata 27 Febroary 2018

Hafa noho ny hafa ity fitondrana iray ity. Tompondaka amin’ny fihetsiketsehana ivelany ary mihamazava ny paik’ady nametrahana ireo “ministres-coach” sy prefets misava ny lalana ho an’ny antoko HVM mba handresen-dahatra sy haka ny fon’ny mponina manerana ny nosy.

 

 Efa manomboka ny fitetezam-paritra toy ny tany Taolagnaro ary manao ny fomba rehetra hitiavan’ny vahoaka azy ny HVM: Bal mipôpôka, karnaval, sns… Hetsika natao fampielezan-kevitra an-kolaka ho amin’ny fifidianana ho avy. Amin’izao ankatoky ny fifidianana izao, miasa mafy ireo minisitra coach manatambitamby sy manao pi-maso amin’ny vahoaka. Ny mahavariana anefa dia ny fitsabahan’ireo “Prefets” sy”sous-prefets” amin’ny tontolo politika. Marina tokoa fa manampy ny fanjakana izay mitondra eo no adidy sy andraikitry ny administratera sivily. Olona notezaina tamin’ny asa ka tsy afaka mipetrapetraka fotsiny ny administratera sivily fa mandray anjara amin’ny fampihodinana ny asam-panjakana. Araka izany, tokony hisy ny fisarahan’ny andraikitra: ny solotenam-panjakana raha ohatra ka administratera sivily dia tokony manao “contrôle de légalité” izany hoe mijery raha mifanaraka amin’ny lalàna velona ny fanapahan-kevitra iray noraisina na tsia, ary mijanona eo izy. Amin`ny maha-lehiben’ny “Administration” azy dia anjaran`ny manao “contrôle de légalité”  amin’ny maha-teknisiana azy fa tsy mitsabatsabaka amin’ny politika na manompo fitondrana. Efa nisy ny fandinihana sy fanatsarana ny fanapariaham-pahefana tena izy kanefa tonga amin`izao fanitsakitsahana ny hasin’ny corps administrateurs civil izao  ary maty hasina tanteraka ny asam-panjakana.

Marigny A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien Aimé
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT