Administratera sivily ao amin’ny CES

> «Tsy nisy «consigne de vote» izany tao Antsirabe»


  • Alakamisy 08 Aogositra 2013

Naneho ny alahelony ny mpiasam-panjakana ambony ao Vakinankaratra raha nahare tamin’ireo haino aman-jery maro teto an-drenivohitra fa nisy ny «consigne de vote» na toromarika manokana hifidianana olona iray, nialoha ny fifidianana izay ho solontenan’izy ireo ho ao amin’ny CES.

Raha ny nambaran’Atoa Ravelonambinintsoa Tangidy, Administratera sivily isan’ireo nikarakara ny fifidiana tao Antsirabe dia niisa 16 izy ireo no mpifidy ara-dalana ka ny 15 tamin’ireo no tonga nifidy. Nambarany tamin’izany fa nahazo vato 14 avy hatrany ny kandidà Mahazaka Clérmont Gervais, raha toa ka iray no azon’ny mpifaninana iray taminy. Fomban’ny olona rehetra milatsaka ho fidiana, hoy izy, ny maneho ny alahelony rehefa tsy lany ka mamorona resaka hatrany saingy amin’ny toy ireny dia misy ihany koa ny fampielezan-kevitra nataon’ireo nilatsaka ka raha ny tao Antsirabe dia nalalaka ny fifidianana nataon’izy ireo ary raha ny vokatra dia tsy toy ny tamin’ny fifidianana ho solontenany tao amin’ny CENI-T izay 100% fa nahazo ihany ny mpifaninana hafa. Namafisiny moa fa ny fampiharana ny lalàna no tanjon’izy ireo ao anatin’ity CES ity.

Caïus Raharison

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT