Tsy mitsahatra mivoatra ny raharaha Toliara. Isan’andro dia tsy maintsy misy zava-baovao hatrany avy amin’ny fanambaran’izatsy na izaroa.
Tsy mizotra velively any amin’ny famahana ny olana anefa izany raha amin’ny fijery tsy miangatra. Omaly dia fantatra fa nisy ny fivoriambe izay natao tamin’ny tobin’ny zandary iray eto an-drenivohitra. Raha ny fantatra dia misy ofisie iray izay vonona ny hidina an-tsehatra any an-toerana ka hanao ny fisamborana ireo polisy nahafaty ny mpitsara Rehavana Michel. Nangataka olona teo anivon’ny toby izy ary dia izay no nivoriana. Momba io raharaha io ihany koa anefa dia fantatra fa mety hisy olon’ny GSIS hampidinina any Toliara. Midika izany fa mety mbola hizotra ho any amin’ny herisetra ihany ny famahana ny olana. Miakatra lenta isan’andro rahateo ity tranga ity satria ankoatra ny fifanolanan’Ambohitsorohitra sy Mahazoarivo dia hita fa mihasarotra isan’andro ny raharaha. Ny vaovao farany azo mantsy omaly dia tapa-kevitra ny tsy hiasa ihany koa fa hitokona ny mpiasam-panjakana rahampitso alakamisy. Midika izany fa tsy voafehy intsony ny raharaha. Dia izay vao tena tonga amin’ny hoe tany tsy tan-dalàna intsony eto Madagasikara. Omaly dia niverina nidina any Toliara indray ny minisitry ny filaminana anatiny sy ny tale jeneralin’ny polisy, miaraka amin’ny tompon’andraikitra ambony maromaro eo anivon’io vondrona io. Mbola midika ihany koa izany fa mitazona ny sezany ny minisitra ary mitady izay fombafomba rehetra handaminana ny raharaha. Mamy ny atsy, fy ny aroa, hany ka sady tsy sahy ny manameloka avy hatrany ka misambotra ireo nahavanon-doza no mbola mitady fomba hafa ihany koa hitazomana ny fahefana. Izay rahateo no lasa mandrirotra ny fitadiavam-bahaolana ity raharaha Toliara ity. Be loatra mantsy ny tsy fampiharana ny lalàna sy ny kitranoantrano hany ka izao lasa nitatra toy ny sima misioka izao ny raharaha. Grevy etsy, grevy eroa, may ny endim-boanjon’ny FAT !
GT
Encadré
Tazonin’ny DG eo anilany ireo “voaroaka” !
Efa eto an-drenivohitra nanomboka tamin’ny herinandro lasa teo ireo lehiben’ny polisy roa lahy izay nesorina tamin’ny asany tany Toliara taorian’ireny gidragidra teo amin’ny mpitsara tany an-toerana sy ny polisy ireny. Eo ambany fanarahamason’ny Tale jeneralin’ny polisy izy ireo ankehitriny. Tsy manana asa voafaritra izy ireo hatreto fa kosa afaka miasa ho an’ny tale jeneraly (DG) amin’izay hilany azy. Naiditra «garazy» ireny, hoy ny fiteny fampiasan’ny mpitandro ny filaminana amin’ny tranga toy izao.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.