Fanahy iniana natao sa nanaraka fombafomba sa fahadisoana teo amin’ny resaka arofenitra ?
Nahagaga ihany ny fomba nametrahana ireo manampahefana tany Farafangana nandritra ilay lanonana fampihavanana ny foko Zafisoro sy Antesaka ny sabotsy lasa teo.
Ady seza ?
Napetraka tamina seza lehibe eo ivohon’ny lapihazo ny praiminisitra Jean Ravelonarivo, seza lehibe sy mampahazo aina tsara. Natingitingina teo an-kaviany kosa tamina seza mitovy lenta amin’ny an’ny filohan’ny FFM ny jeneraly Rabotoarison Charles Sylvain sy ny minisi-panjakana Rivo Rakotovao kosa ny filohan’ny repoblika Hery Rajaonarimampianina. Ekena fa zanak’iny faritra iny ny praiminisitra fa hafahafa ihany io fomba nandaminana ny seza sy ny fomba fipetrahana io, ary tokony ho nohajaina ny rafi-pitantanana sy ny fenitra repoblikanina. Tsy nahatsapa tena mihitsy ve ingahy praiminisitra hoe ny filoha izay raiamandrenin’ny Malagasy rehetra no tokony ho napetraka tamina seza miavaka ? Tsy hitan’ny mpiandraikitra ny arofenitra tao amin’ny prezidansa mialoha ve io resaka seza io fa dia natsofotsofoka fotsiny tamin’izay seza nisy teo ny filoha rehefa tonga ? Ankoatra izay, rehefa nodinihina tsara ny sary sy ny horonantsary dia hita mibaribary fa toa samy tsy nahazo aina na ny filoha Rajaonarimampianina na ny praiminisitra Ravelonarivo. Fampihavanana no anton-dia tany Farafangana, ireo olobe raiamandreny eto amin’ny firenena nitarika ny lanonana anefa toa mifangarika sy tsy mifampiresaka amin’ny fo madio tsara akory. Ny tranga tahaka ireny no mahatonga ny feo mivoaka fa tena tsy mifankahazo intsony ny filoham-pirenena sy ny praiminisitra ary vao miha mampatahotra aza fa toa misy vondron’olona mbola miezaka ny mampiady azy mirahalahy ireo mihitsy ankehitriny. Tany Tolagnaro nandritra ilay fihaonana tamin’ny vondrona eoropeanina dia efa tazana ho samy malomalok’endrika isaky ny miara-mipetraka na tafiara-dia ny filoha sy ny praiminisitra, dia io mbola voaporofo sy voarakitra an-tsary tany Farafangana io fa misy zavatra tsy milamina eo amin’ny roa tonta.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.