Nivoaka tamin’ny alarobia 20 aprily 2016 teo ny fanadihadiana notontosain’ny «Reporter Sans Frontières» (RSF) momba ny fahalalahan’ny asa fanaovan-gazety
. Laharana faha-56 amin’ny 180 manerantany i Madagasikara miaraka amin’ny naoty 27,04. Nisondrotra 8 mihoatra ny tamin’ny taona 2015 ny toerana misy ny firenena Malagasy ankehitriny. Niabo 0,39 ihany koa ny isa tamin’ity taona ity. Nilamina ny raharaham-pirenena teto Madagasikara tamin’ny ankapobeny, hoy ny RSF. Voafetra kosa anefa ny adihevitra demokratika teo anivon’ny firenena Malagasy. Marobe moa ireo radio sy televiziona nakatona sy voasivana mialoha ny nirosoana tamin’ny fifidianana ny taona 2013 ho fampanajana ny tany tan-dalàna miaraka amin’ny fanadiovana ny tontolon’ny haino aman-jery nambaran’ny minisiteran’ny Serasera. Tsy takona afenina anefa ny fifandraisan’ireo orinasa fampahalalam-baovao tsy miankina sy ny fahefana politika nandritra ny vanim-potoanan’ny fampielezan-kevitra, araka ny tsiahin’ny fikambanan’ny mpanao gazety iraisampirenena.
Ramano F.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.