Fanamaivanana ny fandaharana sa tahotra ny hiady hevitra ? Misy sahady ireo kandida mitsoaka an-daharana amin’ny adihevitra nomanin’ny CENI-T halefa amin’ny haino aman-jerim-panjakana, ifanatrehan’ny kandida roa, amin’ny fifidianana filoham-pirenena.
Tamin’ny alalan’ny antsapaka natao teo anatrehan’ny kandida teny amin’ny Foiben-toeran’ny CENIT teny alarobia no nandaharana ireo kandida hifandahatra ao amin’ny TVM sy ny RNM sy namaritana ny fotoana hifanatrehan’ireo kandida ireo, hanohanany ny fandaharan’asany avy. Raisim-peo mialoha ireo kandida ka raha ny voalahatra hatao tamin’ny sabotsy 28 septambra ohatra dia mifanatrika ny kandidan’ny TGV, Edgard Razafindravahy sy ny kandidan’ny “Vitatsika io” Raharimanana Venance Patrick. Tsy tonga itsy voalohany saingy nandefa solontena na efa fantatra tamin’ny fotoana nanaovana ny antsapaka aza fa tsy maintsy ny kandida no mihaona. Tsy nanaiky ny fandraisan’anjaran’io solontena io tamin’ny adihevitra rahateo ny TVM satria tsy izay no nifanarahana, ka dia ny kandida olom-baovao Raharimanana Patrick samirery no teo amin’ny sehatra namelabelatra ny fandaharan’asany sy namaly ny fanontanian’ny mpanentana ny fandaharana.
Raha raikitra anefa ny fifandaharana dia mety mba nahaliana ihany ny valinteny raha nipetraka ny fanontaniana toy ny hoe : hitovy amin’ny fitantanana ny tanànan’Antananarivo nandritra ny efa-taona ve no hitantanany an’i Madagasikara sy ny hoe raha nisy ny tena tsy naha afaka ny kandida Edgard Razafindravahy, vonona ny hifandahatra amin’io kandida io any amin’ny fahitalavitra hafa ve izy, izy rahateo manana fahitalavitra azo ampiasaina amin’izany. Fa nandeha ila ihany koa ny adihevitra tokony hifanatrehan’ny kandidan’ny MAMAFISOA, Rajemison Rakotomaharo sy ny kandidan’ny MDM, Rajaonarivelo Pierrot satria tsy tonga ity farany. Anio alatsinainy 30 septambra amin’ny 9ora 30 alina no handeha ao amin’ny TVM ireo fandaharana ireo.
JD
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.