Samy minisitry ny Tetibolam-panjakana teo aloha Radavidson Andriamparany sy i Hery Rajaonarimampianina. Samy kandida mpifaninana amin’ny fifidianana filoham-pirenena izy ireo amin’izao fotoana izao.
Nikasa ny hampifanatrika ireto teknisianina roa ireo tamin’ny fandaharana manokana ny fahitalavitra RTA saingy tsy sahy niatrika izany ny kandida tohanan’ny antoko TGV, Hery Rajaonarimampianina. Tsy fantatra aloha ny antony tsy nahatongavany hiatrika ity adihevitra ity. Adihevitra izay tokony hahaliana ny mpijery fahitalavitra satria samy teknisianina eo amin’ny lafiny fitantanana ara-bola ireo kandida roa ireo. Ho an’ny firenena mandroso dia efa fahazarana ny fahitana adihevitra eo amin’ny samy kandida ho filoham-pirenena. Amin’ny alalan’ireny adihevitra ireny hatrany no ahafahan’ny olon-tsotra manana fomba fijery tsy mitanila amin’ny fifidianana ho avy. Mipetraka ny fanontaniana : misy antony manokana ve no tsy nahasahian’ny kandidan’ny Hery vaovaon’i Madagasikara niatrika ity adihevitra tokony hifanatrehany tamin’ny kandidan’ny antoko FFF ity ? Sa misy zavatra tsy tiana ho fantatry ny besinimaro kosa ? Matetika tokoa mantsy dia amin’ny alalan’ny adihevitra no miseho tampoka ny marina tsy tiana ho fantatry ny vahoaka, indrindra amin’ny sehatra avo lenta toy ny fitantanana ny volam-panjakana.
JD
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.