Naneho ny heviny mikasika ny tsy fahatongavan’ireo parlemantera sasantsasany tamin’ny fotoam-panokafana ny taom-pivoriana ara-potoan’ny Kongresin’ny tetezamita, ny CT Abdallah avy any DIANA.
“Izay no atao hoe demokrasia ! Tsy azo terena amin’ny heviny ny olona. Matoa izy tsy tonga dia angamba mety misy hevitra noeritreretiny tsy nahatonga azy. Ny filohan’ny Kongresin’ny tetezamita kosa dia nilaza fa tsy ho avy noho ny tsy fahasalamany taorian’ny tranga teny Ambohijatovo”, hoy izy. Izao zava-misy eto amin’ny firenena izao, hoy ny CT Abdallah, dia iarahan’ny vahoaka malagasy rehetra mahita fa lasa ny mpanao politika izay heverina fa hanavotra ny tany sy ny firenena indray no mitady olana hanalava ny krizy. Tokony hozahana amin’izay ny hoe : inona no tombontsoan’ny firenena ? Ahoana no hatao hahavitan’ity krizy ity malaky fa anatin’ny kizo ny vahoaka Malagasy ? Mila manetry tena ny rehetra hirosoana amin’ny fifidianana.
Manohy
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.