Politique

5 maty tao Moramanga Efa tany tsy misy fanjakana !


  • Alatsinainy 29 Febroary 2016

Nandriaka ny ra tao Moramanga omaly tamin’ny nafitsoky ny tovolahy metisy karana iray nitondra fiara 4x4 Ford « pick-up ».

 

 

 Mihevitra azy ho ambonin’ny lalàna sy afaka manao izay tiany angamba izy, eny fa na dia handripaka sy hamono olona aza, tsy noraharahiany hatramin’ny polisy. Dimy no maty ary efatra hafa naratra mafy.

 

Niala avy any Toamasina hihazo an’Antananarivo ilay fiara. Dimy mianaka no tao anatin’ilay fiara, dia ny mpamily sy karana vavy iray niaraka tamin’ny zanany telo. Niato kely tao Andasibe ny dian’izy ireo, mba hitsidika tao an-toerana. Nilaza ho tsy salama ka tsy afaka hanohy ny familiana fiara ilay mpamily nialoha ny fiaingana tao Andasibe. Matahotra ny mitondra fiara amin’ny lalam-pirenena anefa ilay karana vavy tompon’ny fiara, ka tsy sahy nandray ny familiana.

 

Ilay tovolahy metisy karana ihany no namily, saingy vao niainga tao Andasibe dia nirimorimo fandeha. 1km tsy hidirana ny tanànan’i Moramanga, misy toerana fisavan’ny polisy fiara no namoa-doza, tokony ho tamin’ny mitataovovonana, fotoana firavan’ny fiangonana.

 

Nofaohiny ny takelaby an’ny polisy milaza fa tokony hijanona handalo fanamarinana ny mombamomba ny fiara. Tsy vitan’izay fa nandona polisy iray niasa teo koa ilay izy. Naratra mafy ilay polisy ary nentina haingana namonjy ny hopitaly.

 

Tsy nijanona ilay fiara fa nanohy ny lalany hatrany. Vao niala 30m teo, dia nandona lehilahy iray avy niangona. Maty tsy tra-drano io. Nisy lehilahy faharoa, handeha hivarotra ihany koa voadona, ary dia maty tsy tra-drano. Vehivavy iray mitondra vohoka efa-bolana niaraka tamin’ny zanany lahy, telo taona ihany koa voafaoka ary dia samy namoy ny ainy teo no ho eo.

 

Mety nitombo ny loza raha tsy nandray andraikitra nanakenda ilay tovolahy mpamily sady nanitsaka ny hisatra ilay karana vavy teo anoloana, nanao izay hampijanonana ilay fiara. Tao anatin’izay no nidona tamin’ny kamiao ilay 4x4. Tapaka tao anatin’izany ny tongotr’ilay madama.

 

Tsy nijanona teo, fa raha nangata-panazavana tamin’ilay tovolahy metisy karana ny mpamilin’ilay kamiao, dia nodarohany. Nisy ramatoa efa zokiolona sendra azy koa nodarohany ary dia mangamangana ny tarehiny. Tamin’io fotoana nikasihany tanana ilay ramatoabe io indrindra no hitan’ny olona ilay mpamily namoa-doza, ka nosamborina ka sady niharan’ny daroka no nentina tany amin’ny kaomisarian’ny polisy ao Moramanga.

 

Namoy ny ainy tokony ho tamin’ny telo ora tolakandro ilay polisy voadonany, noho ny ratra be nanjo azy.

 

Nentin-katezerana ny olona, ka nodoran’izy ireo teo afovoan-dalana amin’ny lalam-pirenena faha-2 ilay fiara. Nangatahan’izy ireo hatao fitsaram-bahoaka ihany koa îlay mpamily namoa-doza.

 

Jean D.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien Aimé
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT