Politique

4x4, « immunité » Mifanome tsiny ny samy Parlemantera


  • Sabotsy 07 Mey 2016

Manao ranolava ny fanehoan-kevitry ny olom-pirenena taorian’ny nahatraran’ny polisy tao Ihosy fiarakodia tsy mataho-dalana miisa efatra sady voasesika rongony amin’ny gony ny alarobia 4 mey teo.

 

 Lasa resabe moa ny hoe : fiarana depiote sy fiarana minisitra ireo tratra ireo. Ny azo antoka aloha dia nisy ny rongony, ary ireo fiara 4x4 niisa efatra dia samy nahitana rongony tamin’ny gony avokoa, ary valo lahy, roa isaky ny fiara ny olona niaraka tamin’ireo zavamahadomelina ireo. Ny ankoatra izay dia nofihinin’ny mpanao famotorana fatratra tsy ho fanta-bahoaka, na niseho nibaribary aza ny laharan’ny fiara ary azo hamarinina eo anivon’ny “Centre immatriculateur” ny anaran’ny olona misoratra amin’ny taratasin’ny fiara. Fa na izany aza nisy akony teny anivon’ny Antenimieram-pirenena Tsimbazaza iny raharaha rongony tratra tany Ihosy iny. Voatonona ny depioten’i Toliara I, Razaha Tondraha, nisolo toerana an’i Maharante Jean de Dieu, rehefa voatendry minisitry ny asam-panjakana sy ny fanavaozana ny fitantanan-draharaham-panjakana. Niaro tena, nandà mafy sy mitsipaka marindrano izany izy, ary nilaza fa tsy misy idirany izany. Avoahy ho fanta-bahoaka hoy izy, anaran’iza no misoratra amin’ny taratasin’ny fiara. Mifanome tsiny ny samy solombavambahoaka. Mety ho noho io tranga tany Ihosy io no hahasarotra ny fahazoan’ny solombavambahoaka fiara tsy mataho-dalana. Ny filohan’ny Repoblika moa midrikina tsy manome. Ela loatra ho an’ny Antoko Politika Madio sy ny 92%-n’ny Malagasy mahantra mantsy ny 2018 izay mangataka am-panajana ny fialan’ny filoha Rajaonarimampianina Hery amin’ny toerany otran-tserasera toy ny facebook, rahateo koa mavaivay, toy ny hoe : te hialokaloka ao ambadiky ny fisitrahana ny “immunité parlementaire” na zo tsy azo enjehina raha tsy hoe tratra ambodiomby, ireo olona mihazakazaka te ho parlemantera mba hanafenana ny bizina atao.

Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien AimĂ©
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT