Tontosa tamim-pilaminana ny fanamarihana ny faha-65 taonan’ny tolom-panafahana 1947 nanerana ny Nosy.
Tao Manakara no nanaovana ny lanonana ofisialy mahakasika izany. Nidina tany nanome voninahitra ny fanamarihana i Andry Rajoelina, raha teto an-drenivohitra kosa ny praiminisitra Omer Beriziky. Fa toy ireo renivohi-paritany rehetra nanerana an’i Madagasikara dia anisan’ny nankalaza ny andron’ny 29 martsa ihany koa ny tao Vakinankaratra. Raha ny fandaharam-potoana dia nifamotoana tao amin’ny fiangonana Anglikanina tao Antsenakely ny rehetra ny maraina niara-niombom-bavaka ary taorian’izay dia teny anoloan’ny gara indray no nifamotoana nametraka fehezam-boninkazo ho an’ireo maty ho an’ny tanindrazana. Taorian’izay dia nisy ny fametrahana mariboninahi-pirenena ho an’olona iray mbola velona anisan’ireo vavolombelon’ny tantara tamin’izany tolona fahiny izany ka ny minisitry ny varotra Olga Ramalason no solontenam-panjakana nametaka izany.
Fa nandritra ny lahateny fohy nataon’ny Lehiben’ny Faritra Vakinankaratra, Razanakolona Paul, no nitaomany ireo mpitondra fanjakana ao amin’ny Faritra izay tonga maro teo mba hifamela sy hifanome tanana amin’ny fampandrosoana an’i Vakinankaratra manomboka izao. Nambaran-dRtoa Olga Ramalason fa ilaina ny fifamelan-keloka sy fifandeferana amin’izao fotoana mba tsy hahafaty momoka ny tolona nataon’ireo razambe taloha mba hahafahana manpandroso an’i Madagasikara ary ho tsy atao am-bava izany, hoy izy fa porofo izao fifanotronana izao. Sambany moa no nahitana ireo Parlemantera avy amin’ny ankolafy Ravalomanana nifanotrona tamin’ireo ankolafy hafa tamina hetsika toy izao, tato anatin’ny telo taona izao.
Caïus Raharison
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.