Semban-drahona ny fanamarihana ny faha-56 taona niverenan’ny fahaleovantena omaly 26 jona satria nandriaka indray ny ra teny Mahamasina.
Fipoahan-javatra, efa nohamarinin’ny avy ao amin’ny zandarimariam-pirenena fa grenady no mamono tovolahy vao erotrerony roa dia Rakotoniana Tovoniala Patric, 16 taona, monina eny Andraisoro sy Randriamboavonjy Avotriniaina Augustin, 18 taona, monina eny Anosibe nandritra ny podium teny amin’ny kianjaben’i Mahamasina omaly hariva. 72 kosa no naratra, araka ny tarehimarika voaray teny amin’ny HJRA omaly tamin’ny 11 ora sy fahefany alina.
Tsy tsipoapoaka io nirefotra namono olona io fa tena grenady ary nisy olona nanipy azy. Raha ilay fitrangany dia tao anatin’ny ambiansy namaranan’i Jerry Marcoss ny anjara hirany mihitsy no nitranga ny loza, izay no naha maro be ny naratra. Midika izany fa efa voaomana ilay « asa fampiorohoroana », araka ny namaritan’ny filoha Rajaonarimampianina azy omaly hariva raha nitsidika ireo niharam-boina teny amin’ny HJRA ny tenany, nomban’ny praiminisitra sy ny minisitry ny fiarovam-pirenena, ny sekreteram-panjakana miadidy ny zandarimariam-pirenena ary mpikambana vitsivitsy ao amin’ny governemanta. Teo akaikin’ny « coulisse » na ny trano fisoloan’ny artista akanjo, izany hoe avaratr’ilay podium teny Mahamasina no fantatra fa nipoahan’ilay grenady. Efa nisy olona iray nikasa hitoraka grenady voasambotra omaly maraina, raha ny fanambaran’ny filoham-pirenena ihany. Raha ny mpitondra no tsy tiana, zavatra hafa izany fa raha ny vahoaka kosa no vonoina dia efa tsy rariny ary tsy maintsy ho fantatra ireo nahavanon-doza ka hampiharina aminy ny sazy faran’izay henjana, hoy i Hery Rajaonarimampianina omaly. Efa tena asa fampihorohoroana izao, hoy hatrany izy ary niantso ny tafika, zandary, polisy, eny hatramin’ny vahoaka mba handray andraikitra ny filoha. Mazava ny resaka eto fa tsy maintsy hisy ny fisamborana ary hampiasa ny fahefany rehetra ny fitondram-panjakana, indrindra moa fa efa maro ihany ny resaka nandeha momba ny fiketrehana asa fanakorontanana sy fanonganam-panjakana tato ho ato izay.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.