Dila iny 26 jona 2012, nankalazana ny faha-52 taona nitsingerenan’ny fahaleovantenan’i Madagasikara sady fetin’ny foloalindahy malagasy rahateo.
Raha nokendrena hanamafisana ny firaisankinan’ny Malagasy sy hifanomezan-tanana hampandroso an’i Madagasikara ireo hetsika rehetra notanterahina manodidina ny fankalazana ny 26 jona, dia toa vao mainka nampitombo ny ahiahin’ny Malagasy amin’ny hiverenan’i Madagasikara ho tany miankindoha toa tany voazanaka indray. Toa manomana ny sain’ny Malagasy ho amin’izany rahateo ireo trangan-javatra niseho taloha sy nandritra ny fankalazana ny fetim-pirenena iny. Nialoha ny fety dia mbola tsaroan’ny maro ny fanambarana nataon’ny minisitry ny atitany, Rakotoarisoa Florent, izay anisan’ny tompon’andraikitra amin’ny filaminana anatiny eto Madagasikara, tsy nihambahamba nilaza fa tokony hangataka fanampiana na hiantso ny tafika frantsay ny miaramila gasy hisamborana an-dRemena bila, ilay lehiben’ny dahalo any Befotaka, mialoha ny 26 jona, mba tsy hihomezan’ny malaso ny miaramila gasy ary koa tsy ho afa-baraka ny mpitondra.
Zavatra roa koa no voamariky ny maro ny andron’ny 26 jona 2012, nanaovana ny fankalazana nasionaly ny fetim-pirenena. Andaniny, teo ny fidirana an-tsehatry ny vazaha frantsay nanamory helikoptera nandritra ny matso miaramila teo Mahamasina. Ankilany, nandritra ny fampisehoana rindrankira teo Mahamasina dia nampiakatra vazaha frantsay teo an-tsehatra ihany koa i Rossy tamin’ny fotoana nahateo Mahamasina ireo manampahefana sivily sy miaramila, mpitondra ny tetezamita. Azo antoka fa tsy kisendrasendra avokoa ireny na koa fifanandrifian-javatra ihany, fa efa tena nomanina. Koa ny ahiahy tsy ihavanana. Hifantoka any amin’ilay fihaonan-dRavalomanana sy Rajoelina rahateo mantsy ny adihevitra taorian’iny 26 jona iny, fihaonana izay notakian’ny ankolafy Ravalomanana hotanterahina teto Madagasikara talohan’ny fetim-pirenena iny saingy tsy raikitra izany.
Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.