Hadimiana sisa dia higadona ny datin’ny 26 jona 2012, hanamarihana ny faha-52 taona nitsingerenan’ny fahaleovantenan’i Madagasikara sady fetin’ny foloalindahy rahateo ihany koa.
Tsy hisy ny fahagagana fa dia mbola i Andry Rajoelina izany no hitarika ny fisafoana ny andian-tafika, toy ny nitranga hatramin’ny taona 2009. Lasa resabe io ankehitriny. «Ny filoham-pirenena voafidim-bahoaka ihany no tokony hisafo ny andian-tafika, i Andry Rajoelina anefa tsy voafidim-bahoaka. Ny zavatra hitranga izany dia ilay tafika mihitsy no manome voninahitra ilay mpanongam-panjakana», hoy Randriamamizafy Ignace tao amin’ny Magro Behoririka, omaly. Tetsy ankilan’izay kosa dia fanontaniana no napetrak’i Constant Raveloson, mba inona no hatolotr’i Andry Rajoelina ny Malagasy amin’io fotoana io ? Nanantena ny vahoaka fa hivaha ny krizy satria misy ilay fihaonana. Tsy izay anefa no miseho, hoy i Constant fa fitokonana no setriny. Koa aza lany andro manenjika ny ankolafy Ravalomanana sy Ravalomanana tenany ianareo fa jereo io sosialy mitotongana io, hoy hatrany ity mpikambana ao amin’ny Kongresin’ny tetezamita avy amin’ny antoko MFM ity.
Nangonin’i Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.