Nampitombo ny hatezeran’ny olona ny valin-teny feno fihantsiana nataon’i Andry Rajoelina nandritra ny fivahinianany tao amin’ny fahitalavitra TV Plus ny alin’ny zoma 23 martsa 2012 lasa teo, toy ny filazany fa tsy teo amin’ny fitondrana aza izy sahy niady maika fa efa eo amin’ny fitondrana sy ny nanambarany fa tsy tokony hanao politika intsony ireo nahavita heloka bevava ka omena amnistia ary indrindra ny fiampangany an’i Marc Ravalomanana ho maniraka olona hifofo ny ainy.
Fa ny tsy zakan’ny Malagasy dia ny fanadiovany tena sy ny filazany fa tsy izy mihitsy no hanome baiko na haniraka hamono olona. Mbola tsaroan’ny rehetra ny teniny teny Andavamamba ny antoandron’ny alatsinainy 26 janoary 2009, nitsodrano ny mpiara-dia aminy ho eny Anosipatrana, misy ny foiben’ny orinasan-tserasera Malagasy Broadcasting System na MBS, izay fananan’i Marc Ravalomanana. Ampahany io saingy mahafaoka be satria dia niaraha-niaina sy nahita ny zavatra-nitranga teto Antananarivo io alatsinainy 26 janoary 2009 io, izay nahazo anarana “Alatsinainy Mainty” na “Lundi Noir” na “Black Monday” mihitsy satria dia maizina antoandro teo ilay renivohitr’i Madagasikara. May ny RNM sy TVM. Orinasa maro teny Ankorondrano, Behoririka, Analakely, Tanjombato no voaroba na sady voaroba no may.
An’aliny ireo Malagasy very asa tao anatin’io andro iray io monja. Tsy hita pesipesenina ny fatiantoka naterak’izany. Betsaka ireo Malagasy nindaosin’ny fahafatesana vokatr’io. Tao ireo tapaka lalandra, nisy ireo may kila hotohoto toy ny nitranga tao amin’ny Trading Center Analakely, ankoatra ireo maty tototry ny gonim-bary raha nalefa handroba ny fananan-dRavalomanana. Fa tranga iray tena nampivarahontsana ny maro koa ilay nitranga teny Androndrakely ny harivan’ny alahady 8 martsa 2009, niandohan’ny hetsiky ny CAPSAT. Polisy lahy, mbola tanora, no niharan’ny habibian’ny mpomba an-dRajoelina, ary dia maty tsy tra-drano. Tsy vitan’izay fa mbola nahantona tamin’ireny “panneau pulicitaire” ireny izy rehefa maty.
Samy Malagasy no mahavita izany ! Firifiry ireo Malagasy nitondra faisana tamin’ny herim-pamoretan’ny FAT, ary ny sivily no tena lasibatra tamin’izany. Misy ny olon-tsotra, toy ilay mpivaro-boky tetsy Ambohijatovo ny zoma 24 aprily 2009, ao ny mpitondra fivavahana, toy ny mpitandrina FJKM, Ranaivo Rivo Arison, izay maty vokatry ny tifitra natao azy ny alakamisy 20 mey 2010. Dia ireny nitranga tao Antsapanimahazo-Faratsiho farany teo ireny no fisehony, izay namoizana ain’olona roa. Manginy fotsiny ny asan-jilolahy sy fanafihana mitam-basy miseho lany etsy sy eroa izay toa jerem-potsiny. Andraikitr’iza ary mandrapahoviana no hiatoan’izany ?
Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.