Politique

25 janoary Nanomboka ny gidragidra


  • Alarobia 25 Janoary 2012

Na ahoana na ahoana fomba ilazana azy dia fampisehoan-kery avy amin'ny ankolafy Ravalomanana ireny nitranga tamin'ny sabotsy 21 janoary lasa teo ireny.

 Telo taona aty aorian'ny nanonganana azy dia hita ho mbola tena mamim-bahoaka sy manana ny mpanaradia azy Atoa Marc Ravalomanana. Ny fihazakazahan'ny fitondrana tetezamita hanakana ny fahatongavany eto Madagasikara amin'ny fomba rehetra ihany koa, na ny fikasana hisambotra azy dia manaporofo fa maro amin'ireo mpitondra ambony no mbola matahotra azy eo amin'ny sehatra politika, ary vao maika aza mipararetra aminy raha toekarena sy fandraharahana no resahana. Telo taona katroka amin'ity alarobia 25 janoary ity ilay fitsenana makotrokotroka nataon'ny vahoaka tamin'ny filoha Ravalomanana raha tafaverina an-tanindrazana rehefa avy nanatrika ny fivorian'ny SADC tatsy Afrika Atsimo izy.

Efa tena nafana ny toe-draharaha politika tamin'izay fotoana ary samy resy lahatra ny andaniny sy ny ankilany fa matanjaka sy mahazaka vahoaka. Efa hatramin'ny 17 desambra 2008 no henjankenjam-pitenenana i Andry Rajoelina sy ireo mpanara-dia azy, nitokana ny kianjan'ny demokrasia izy ireo ny 17 janoary 2009 ary dia nidina teny amin'ny Kianjan'ny 13 mey taoriana kelin'izay. Fa raha hiverenana kosa ny 25 janoary 2009 dia tamin'io fotoana io no nanambaran'ny filoha Ravalomanana hoe : «tsapao tsara aloha ny herinareo vao mitsapatsapa ny aty !». Nampiseho ny heriny tamin'ny fahatongavany maro be teny Ivato sy tamin'ny toerana rehetra nandalovan'ny filoha Ravalomanana ireo mpanohana azy.

Nampiseho hery tamin'ny alalan'ny tora-bato kosa ireo mpomba an'i Andry Rajoelina, niaraka tamin'ny teny mahery nanompa ny filoha am-perinasa sy izay rehetra niara-dia taminy. Nisavorovoro Antananarivo renivohitra, nanomboka nikorontana ny tanàna, toa nandindona sahady ny aloky ny «Alatsinainy Mainty» ny ampitson'io, nisehoan'ny fandrobana sy fanapotehana fananan'olona, izay nitarika fahapotehana sy faharatrana ary fahafatesana, ka nanaratsy endrika tanteraka an'Antananarivo sy nanomboka nanova ny tantara. Adim-borontsiloza niampy fampiasan-kery nifototra tamin'ny herin'ny vola sy ny fankahalana, no nandrodanana ny filoha Ravalomanana. Dingana iray lehibe tamin'izany ny datin'ny 26 janoary 2009. Nahomby tamin'ny ampahany ny paikadin'i Andry Rajoelina sy ny mpiara-dia aminy, saingy tsy ho lasa lavitra intsony ny lamasinina haingam-pandeha raha ny fahitana azy ankehitriny, satria sady tsy ampy solika, tsy ampy angovo, tsy ampy hery, tsy mahalala ny lalan-kombany ny mpamily ary efa manomboka misavoritaka sy miady an-trano ny ao anaty wagon. Azo tamin'ny kiloadoaka marina angamba, dia hivoaka amin'ny makarakara !

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politika
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Notendrena ho mpanolo-tsain’ny

  • Razafindrandriatsimaniry Dieudonné Marie Michel
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Fametrahana aty ifotony ny fitsinjarana

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

  • Namaly an’i Roland Ratsiraka
  • Alakamisy 07 Mey 2026

ireo fiarahamonim-pirenena

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

  • Fanenjehana an-dRajoelina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Hosantarina amin’ny

Hijery ny tohiny
FTT