Politique

21 martsa 2009 Nijabaka


  • Alarobia 21 Martsa 2012

Telo taona katroka amin'ity 21 martsa 2012 ity ny fampisehoan-kery goavana nataon'ny Legalista voalohany teny amin'ny Kianjan'ny demokrasia Ambohijatovo, ho fanoherana ny fandrombaham-pahefana nataon'i Andry Rajoelina, ka nahasahiany nanao fianianana amin'ny maha filoham-panjakana azy teo amin'ny kianjaben'i Mahamasina.

 Tena mbola nafana ny fifandirana politika tamin'izany fotoana. Na dia efa tsy teto Madagasikara intsony aza Atoa Ravalomanana dia tsy kivy fa nijoro ireo mpanohana azy, nanohy ny tolona. Raha manodidina ny 6000 ny olona tonga isan'andro teny Iavoloha niambina ny lapam-panjakana, dia efa an'aliny kosa no tonga teo Ambohijatovo. Tsaroana fa anisan'ny nitarika ny hetsika tamin'izany ry Raharinaivo Andrianatoandro sy ireo lohandohan'ny mpisorona vitsivitsy tao amin'ny TIM, teo ihany koa i Alain Andriamiseza, izay azo ambara hoe nitsangana tamin'ny maty eo amin'ny fanaovana politika, tamin'izany fotoana ary anisan'ny voalohany nitaky ny hamelana an'i Marc Ravalomanana hody an-kalalahana eto Madagasikara, ary tsy nankasitraka ny fomba nakan'i Andry Rajoelina ny fitondrana sy ny endri-pitantanana nisy teto. Mazava be ny resaka nanomboka tamin'iny 21 martsa 2009 iny fa tsy nahazo ny fankasitrahan'ny Malagasy maro an'isa i Andry Rajoelina, ary tsy neken'izao tontolo izao ihany koa.

Telo taona izay no lasa, tsy mbola azo ihany ilay fankatoavana iraisam-pirenena, mbola miato ny famatsiana ara-bola, miha marefo ny toekarena. Raha ny tena marina dia ny filoham-pirenena voafidim-bahoaka tamin'ny fifidianana demokratika ihany, no manao fianianana rehefa handray amin'ny fomba ofisialy ny asany. Ka nahagaga sy nahatalanjona ihany ny fihetsik’i Andry Rajoelina, sahy nisalotra ny mariboninahitra ambony indrindra eto amin'ny firenena, ka nanao fianianana tahaka ny filoha voafidy. Mpanolotsaina manokana azy Ratsirahonana Norbert Lala, izay efa avy filoham-panjakana sady praiminisitra nitantana ny tetezamita taorian'ny nirodanan'ny fitondran’ny profesora Zafy Albert, kanefa fa dia tsy niteny tsy nivolana fa toa nampijabaka azy indray aza. Mitatra tahaka ny sima misioka ity ny tetezamita, ary maro no efa mieritreritra fa mety hamita "mandat" iray mihitsy angamba, izany hoe hitondra mandritra ny 5 taona i Andry Rajoelina, fa mba resaka fotsiny ny hoe hanao fifidianana faran'izay haingana.

Tsy mety azo ny fankatoavana feno avy any ivelany, tsy mbola tafaverina ny famatsiam-bola, satria amin'izao tontolo izao dia mbola mpanongam-panjakana sy mpisando-pahefana no mitondra an'i Madagasikara. Miha mahantra ny Malagasy, mitombo koa ny harom-paosy sy fanendahana ary asan-jiolahy, hany ka na dia ny findain'ny vadin'ny filohan'ny tetezamita aza, dia misy sahy mangalatra tsotra izao. Zavatra tsy mbola nitranga teto Madagasikara izany. Telo taona aty aoriana dia tsy mbola miaiky ihany i Andry Rajoelina fa tsy vitany ny mitondra ity firenena ity, fa mbola mieritreritra hatrany angamba izy fa ny heviny ihany no tena mety sy marina, fa ny an'ny hafa ... tsy misy ilana azy.

Aiza ho aiza moa izao ny fanovana nampanantenaina ny Malagasy ? Toa nihalafo daholo ny zava-drehetra eny an-tsena, toa misy vondron'olona Malagasy sy vahiny mahazo tombony mihoapampana amin'ny fitrandrahana ny harena misy eto, ary izy ireo mihitsy no tena tsy maty manota. Telo taona aty aorian’ny nitantanana ny firenena ve, dia mbola ailika any amin'ilay mpitondra teo aloha foana ny zavatra tsy mety ? Angaha tsy misy mpitondra mahefa eto no mitady tany malemy hanorenam-pangady foana ? Nisy ireo nanantena an'i Andry Nirina Rajoelina tany amin'ny 2007 sy 2008 tany fa hitondra rivo-baovao eto izy, dia izay angamba no nanohanan’ny olona azy tamin'ny 2009. Mibaribary anefa ny marina ankehitriny fa nijabaka, ka dia tahaka ireo mpanao politika tia tena ihany izy. Telo taona izay no lasa, mbola mijoro hamerina ny ara-dalàna hatrany ny Legalista ary tsy nanaiky lembenana tamin'ny karazana fanakanana sy faminganana nataon'ny FAT. "Tsy mbola vita ny tolona, tohizo ny lalantsika", hoy ny Legalista zanak’i Dada, isan'andro eny amin'ny Magro.

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politika sy jeopolitika
  • Alarobia 13 Mey 2026

Mifaninana mafy eto i Lafrantsa sy Rosia

  • Delegasiona avy amin'ny SADC
  • Alarobia 13 Mey 2026

Nitsidika an'i Rinah sy Marie Michelle tany am-ponja

  • Kaominina Antsirabe I
  • Talata 12 Mey 2026

Nametra-pialana ny ben’ny tanàna…

  • Politika
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Notendrena ho mpanolo-tsain’ny

  • Razafindrandriatsimaniry Dieudonné Marie Michel
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Fametrahana aty ifotony ny fitsinjarana

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

Hijery ny tohiny
FTT