“Hapetraka eo amin’ny fitondrana amin’ny alalan’ny fifidianana aho”, hoy Pastera Mailhol, “Vehivavy no ho filoha manaraka eo”, hoy indray kosa i Mme Shabberah.
Samy faminaniana sy fahitana ny hoavy no ambaran’ireto Malagasy ireto, mikasika ny fifidianana amin’ny 2018. Fanambarana re tato anatin’ny herinandro ireo. Mifanohitra tanteraka ny voalaza ka ny an’iza no marina ? Iza no hino, iza no tsy hino ? Be no ho tapaka lalandra amin’ny tsy antony raha izao no fandehany. Tamin’ny 2013 i Mailhol no niandrandra ho tafakatra teo amin’ny fitondrana. Nilaza indray izy taty aoriana fa diso kajy tamin’iny ka nanazava fa mpitondra roa aorian’i Marc Ravalomanana vao hapetraka eo amin’ny fitondrana na amin’ny alalan’ny savoritaka na amin’ny alalan’ny fifidianana ka firotsahan-kofidiana no lalana nofidiany ary io 2018 io no fotoana. Nanohana ny efa voalazany koa i Mme Shabberah fa tanteraka, araka ny fanambarana nataony ny taona 2013, ireo faminaniany mahakasika ny raharaham-pirenena. Raha tsy mbola nipetraka akory ny filoha am-perinasa ankehitriny dia efa nolazainy fa mpitantana ambony eny anivon’ny minisitera lehibe no ho lany ho filoha. Anisan’izany ihany koa ny fanovana governemanta matetika sy ny fisoloan’ny praiminisitra in-telo miantoana. Raha tsiahivina, ny praiminisitra Kolo Roger no lehiben’ny governemanta teny am-piandohana, nodimbiasan’ny jeneraly Jean Ravelonarivo ary amin’izao fotoana dia entin’i Mahafaly Solonandrasana Olivier. Tsy hitondra filaminana avokoa anefa ireo rehetra ireo raha tsy amin’ny fitondram-behivavy ho avy ato ho ato raha hiverenana ireo fanambarany ireo, manamafy izay nambarany tao amin’ny fahitalavitra tsy miankina Kolo TV tamin’ny 5 aogositra 2013. Manambara ity mpaminany vavy ity fa “hisy” ary ho tanteraka ny fifidianana filoham-pirenena amin’ny taona 2018 ho avy. Amin’izany no handanian’ny Malagasy mpitondra vehivavy hitondra io filaminana io. Tsy vaovao amin’ny fitondrana no holanian’ny vahoaka hoy izy, ary vadina filoha efa nitondra ny Malagasy, raha ny nambarany ihany. Handiso fanantenana ireo mpanohana an’ny Pastera Mailhol ve i Mme Shabberah ? Ity farany izay nahazo ny mari-boninahitra “Chevalier de l’ordre National” noho ny fahamendrehany amin’ny maha mpaminany azy, ny taona 2016. Ireo mpanao politika etsy an-kilany tsy hipetra-potsiny, ary miomana fatratra handray fitondrana amin’ny fomba demokratika.
Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.