Politique

2018-Handrotsaka olona ny Marina Tsangan-kevitra vao tsangan’olona…


  • Alakamisy 07 Septambra 2017

Nanamafy ny antoko Marina tarihin-dRanaivoson Desiré fa manana kandida harotsaka ho filoham-pirenena izy ireo amin’ny 2018.

Tsy mbola nampahafantarina kosa anefa ny anarany. Ny fandaharan’asany aloha no kirakiraina amin’izao fotoana. Aoka izay ity resaka olona ity fa ny foto-kevitra aloha no ndao resahina, ny programa sy ny fomba fiasa hanatanterahana azy, hoy Ranaivoson Desiré. Rehefa mipetraka izay dia fantatra ny afaka hitondra ny firenena. Ny olona no tokony hipetraka eo ambonina programa, fa ny eto amintsika dia ny olona no mandeha mialoha kanefa tsy fantatra ny tetikasa sy zavatra hataony, ka ny hiafarany dia diso fanantenana foana isika, hoy izy. Andeha hifanarahana ny zavatra hatao amin’izay na ny olom-pirenena aza mba mahatsiaro ny andraikiny amin’ny zavatra hataony. Manamafy kosa ny antoko Marina fa misy zavatra mifandipatra eo amin’ny lalàmpanorenana sy lalàm-pifidianana. Ny CENI izao dia ny lalàmpanorenana no hiaingana, kanefa ny lalàm-pifidianana dia milaza fa tsy tokony hatao ao anaty fahavaratra ny fifidianana satria miteraka tsy fitovian’ny herijika eo amin’ny mpifaninana, saingy mitontona amin’izany ny 2018. Manolo-kevitra sy nanolotra daty izy ireo, ka ny 6 mey ny fihodinana voalohany amin’ny fifidianana filoham-pirenena ary ny 1 jolay ny fihodinana faharoa.

Toky R.

 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien Aimé
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT