Nandriaka ny ra tao amin’ny tobin’ny rezimanta voalohan’ny hery vonjy taitra na 1er RFI Ivato omaly 22 jolay 2012.
Nifanafika andro alahady ny miaramila. Nisy ny aina nafoy. Telo hoy ny jeneraly Ramasy Raphael, Talen’ny kabinetran’ny minisitry ny fiarovam-pirenena, raha nitatitra ny zava-nitranga tao amin’io toby io, nandritra ny vaovaon’ny fahitalavi-panjakana omaly tamin’ny valo ora alina. Kapiteny Pascal ny iray, zazavao ny faharoa ary ny kaporaly Koto Mainty na Black voalaza fa nitarika fikomiana tao amin’io toby io ny fahatelo. Mpiambina akaiky ny minisitry ny fiarovam-pirenena teo aloha, ny jeneraly Rakotonandrasana Noel io kaporaly io. Teo am-boalohany dia nilaza ny jeneraly Ramasy Raphael fa voasambotra ny kaporaly Black. Taorian’izay indray dia nambarany fa maty, ka novonoina sa inona no nitranga ? Fa loharanom-baovao hafa indray anefa no milaza fa efatra no namoy iny ainy, ka mamboninahitra lefitra io fahefatra io. Nisy efatra naratra, ka avy amin’ny mpitandro filaminana ny roa ka anisany ny kaomandà Rampanarivo, avy amin’ny mpikomy ny roa. Nisy polisy niasa teny amin’ny seranam-piaramanidina Ivato koa naratra, ka piti-bala namaky fitaratra no voalaza fa nahavoa azy.
Ankoatra ireo dia nisy zazavao 42 miampy miaramila 70 hafa azo babo na koa nitolo-batana, niampy sivily efatra. Vao maraina tamin’ny dimy ora sy sasany maraina dia feom-basy nitatatata no ren’ny teny Ivato sy ny manodidina. Raha ny fanambarana navoakan’ny tao amin’ny ministeran’ny fiarovana dia hoe : nisy andia-miaramila niditra an-keriny ny toby ary nanapoaka basy tamin’izay rehetra niditra tao. Io fanambarana io no nanondro fa mitarika fikomiana ao ny kaporaly Black. Taorian’izay dia vondron-tafika samihafa no nalefa niatrana teny Ivato toy ny zandarin’ny GSIS, ny Emmo-reg, ny FIS … Voalaza fa nisy fifampiraharahana natao saingy nandamoka izany ka dia tamin-kery no nandaminana azy. Raikitra ny fanafihana, rehefa nahafaty nanamboninahitra ireo mpikomy. Naharitra ora 12 teo ny fifanandrinan’ny samy miaramila, ary dia niafara tamin’ny ra mandriaka sy faty olona io.
Fifanandrifian-javatra sa efa nomanina ho ankatoky ny fanatanterahana ny fihaonan’Atoa Marc Ravalomanana sy Andry Rajoelina any Seychelles no nitrangan’ity fikomiana miaramila any amin’ny toby manakaiky seranam-piaramanidina iraisam-pirenena ity ? Maty novonoina moa ny ambara fa nitarika ny fikomiana, ka dia tsy ho fantatra izany ny marina manodidina ny raharaha 1er RFI Ivato iny ? Fa na tiana na tsy tiana, dia marary ny foloalindahy malagasy, ary tokony hieritreritra lalina ny mpitondra sy ny lehibe mpifehy isan-tokony manoloana ireo tranga niseho tato anatin’izay telo taona sy tapany nisian’ny fanonganam-panjakana teto izay ? CAPSAT (martsa 2009), Ambohijanaka (Aprily 2010), FIGN (mey 2010), BANI (novambra 2010), CAPSAT (martsa 2012), dia izao RFI (jolay 2012) koa.
Fihatsarambelatsihy fotsiny ve izany ny nanaovana ny “Assise militaire” tao amin’ny CCI Ivato ny 27-28 mey 2009 fa tsy nahavaha olana akory ? Inona koa no nametrahana rafitra toy ny CMDN raha tsy afaka namerina amin’ny laoniny ny fifampifehezana sy ny firaisankinan’ny tafika ? Mivalona tamin’ny fampiasan-kery ve iny raharaha RFI iny sa hisy hanao valifaty indray koa, satria hoe maty ny namany ? Inona no antoka fa hiravona ny disadisa eo anivon’ny foloalindahy, satria dia misy miaramila, manamboninahitra, any am-ponja amin’izao fotoana izao noho ny raharaha BANI, izy ireo izay mitaky ny hampiharana ny andininy faha-16 amin’ny tondrozotra ?
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.