Politique

1947… 2012 Very maina


  • Alarobia 28 Martsa 2012

65 taona aty aorian'ny tolom-panafahana tamin'ny 1947 dia hafahafa ihany ny fizotry ny tantara.

 Tolona ho amin'ny fanovana no nambara fa natao tamin'ny 2009, ka nitarika izany i Andry Rajoelina. 2012 isika izao, tsy hita izay hoe fanovana, na fanovana ihany no natao fa ho amin'ny ratsy kokoa...angamba. Ny tena mampihoron-koditra ihany koa dia ny fahitana ny fiverenan'ny Frantsay tsimoramora eto. Manao rodobe fa tsy tahaka ny tamin'ny fitondrana teo aloha ireo miaramila sy manamboninahitra Frantsay manofana sy mampianatra ny foloalindahy malagasy. I Jean Marc Châtaigner, ambasadaoro frantsay farany teo, moa dia efa nandroso hevitra fa afaka manampy ny mpitandro ny filaminana malagasy, hono, ny Frantsay amin'ny ady amin'ny tsy fandriampahalemana.

Ry zareo Frantsay izay tsy mitsahatra manampy ara-pitaovana (efa niasa) ny foloalindahy, dia mialokaloka ao ambadiky ny fanofanana mba hahafahany mamahatra any anaty lakazerina any. Izao indray ny kaompaniam-pitaterana Air France dia hampanofa ireo fiaramanidina Airbus A340 miisa roa amin'ny Air Madagascar. Irerarehan’i Andry Rajoelina ny fahazoana azy ireo, na dia hofaina mandritra ny enin-taona aza, vao tena ho lasa fananan’ity kaompania nasionaly ity ilay voromby. Mandeha be ny feo eny Ivato eny fa tena manomboka maka toerana sy tombontsoa ao amin'ny Air Madagascar ao ny Frantsay. Mihazakazaka mafy ny mpandraharaha sy ny fanjakana Tiorka fa hoe hiara-miasa akaiky amin'i Madagasikara, hono. Misy fofompofona Lafrantsa ihany anefa ao ambadik'izany rehetra izany. Anjakazakan’ny Frantsay ny sehatry ny fampiasam-bola sy ny banky. Asa vaventy, dia mbola orinasa frantsay no matanjaka eto.

Tsy tokony hohadinoina ihany koa fa miasa mafy mitrandraka solika any Bemolanga ny orinasa Total, mbola Frantsay koa izany. Manao pi-maso amin'ireo vahoaka sahirana sy iharan'ny tsy fanjarian-tsakafo eto amintsika, koa ny Frantsay ka nanome vola amina miliara ny FAO. Ireo no hita sy re tamin'ny filazam-baovao, na avy amin'ny resaka nivoaka tetsy sy teroa, fa tsy ferana mihitsy ny fisian'ny zavatra hafa any ambadika any, hikarohan'ny Frantsay tombontsoa eto amintsika. Mety ho endrik'ilay fanovana angamba izany, satria raha somary nihafihafy ny Frantsay tamin'ny fitondrana Ravalomanana, dia tena mahazo vahana tsara mihitsy izy hatramin'ny nisian'ny fitondrana tetezamita. Raha tsorina ny resaka izany dia i Frantsa no tena mahazo tombony tamin'ilay fanovana fa tsy ny Vahoaka malagasy velively. Dia matimaty foana ve izany ireo Malagasy nanao vy very ny ainy, hanavotana ny tanindrazana teo ambany vahohon’ny mpanjanatany ? Dia ho tsangambato sy voninkazo rehefa 29 martsa sisa no sahaza ireo mahery fo 1947 ? Dia fotoana very maina fotsiny koa ve izany ny 65 taona, niventesana hambom-po sy fitiavan-tanindrazana fa dia mbola ny mpanjanatany ihany no mitavana ny harem-pirenena eto ?

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politika sy jeopolitika
  • Alarobia 13 Mey 2026

Mifaninana mafy eto i Lafrantsa sy Rosia

  • Delegasiona avy amin'ny SADC
  • Alarobia 13 Mey 2026

Nitsidika an'i Rinah sy Marie Michelle tany am-ponja

  • Kaominina Antsirabe I
  • Talata 12 Mey 2026

Nametra-pialana ny ben’ny tanàna…

  • Politika
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Notendrena ho mpanolo-tsain’ny

  • Razafindrandriatsimaniry DieudonnĂ© Marie Michel
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Fametrahana aty ifotony ny fitsinjarana

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

Hijery ny tohiny
FTT