Politique

19 janoary 2020 Tena hamboly hazo fa tsy hitsangantsangana


  • Talata 14 Janoary 2020

Zanakazo 60 tapitrisa no efa vonona hovolena ny 19 janoary ho avy izao.

 

 

Ao anatin’ny fanomanana tanteraka ny minisiteran’ny tontolo iainana sy ny fampandrosoana maharitra ary ireo rantsamangaika any amin’ny faritra amin’izao. Mariky ny firaisam-pirenena sy maodely ny fambolena hazo nasionaly izay atao ny alahady izao any amin’ny distrikan’Ankazobe. Tanjona, hoy ny minisitra Alexandre Georget, ny famerenana ho maitso an’i Madagasikara. Andrasana, araka izany, izay fandaminana ataon’ny minisitera tompon’andraikitra. Hatramin’izay mantsy, zary lasa fitsangantsanganana ho an’ny minisitera sy ny orinasa ny fambolen-kazo. Amin’ity dia voalaza fa ho hentitra ny tompon’andraikitra. Raha toa mantsy ka ny fambolen-kazo no tanterahina tao anatin’ny taona maro nifandimby dia nolazaina fa hisy isaky ny elakela-trano kanefa mifanohitra amin’izay no nisy teto Madagasikara. Tanjona ho an’i Madagasikara ny hamboly hazo 80 tapitrisa fototra amin’ity taona ity ho fanatanterahana ilay vina hanamaitso indray an’i Madagasikara.

 

Manodidina ny 44%-n`ny ala voajanahary eto Madagasikara no ringana tao anatin`ny 60 taona lasa izay. Mbola mampiasa arina fandrehitra ny 85%-n`ny Malagasy. Tokantrano iray vinavinaina mampiasa arina fandrehitra 60 hatramin`ny 70 kilao isam-bolana. Hazo 10 kilao vao ahitana arina fandrehitra 1 kilao. Raha ny antontan`isa nivoaka tamin`ny taona 2012, ho an`Antananarivo fotsiny dia mahatratra 110 000 taonina isan-taona ny fandaniana izay tsy maintsy hanapahana hazo 32 000 Ha.

 

Marigny A.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT