Vola mitentina 100 tapitrisa dolara na 1800 miliara Iraimbilanja no nomen’ny orinasa sinoa Wisco ny fitondrana Tetezamita ho tambin’ny fitrandrahana vy any Soalala-Mahajanga.
Nolanian-dRajoelina taiza avokoa ireo vola be ireo ? Ny fiadidiana ny prezidansa tamin’izany fotoana no nitantana mivantana io vola 1.800 miliara Iraimbilanja io. Ny zavatra fantatra aloha dia lasa miliardera ity filohan’ny HAT teo aloha ity, taorian’ireny fanonganam-panjakana ny taona 2009 ireny ka naha teo amin’ny fitondrana ny tenany nandritra ny dimy taona. Porofon’izany ilay tanàna be an’i Andry Rajoelina ana hektara eny Betsizaraina Ambohimangakely, ilay trano be maoderna etsy Alarobia (akaikin’ny La City) ary ireo fananam-beny atsy Dubaï. Fandrebirebena ny mason’ny vahoaka fotsiny ihany no nananganana ireny hopitaly manara-penitra tamin’ny Tetezamita ireny. Tsy nahalany ny antsasak’izany vola be 1.800 miliara Iraimbilanja izany akory anefa ny totalin’ny vola tamin’ireny. Lasa miliardera ary anisan’ny Malagasy tena manam-bola be tokoa ity filohan’ny Tetezamita ity taorian’ny nialany teo amin’ny fitondrana. Ampahafirin’ny miliara azony anefa ny vola nomeny ireo mpikambana ao amin’ny AV7, nanao sorona ny ainy, niakaran’i Andry Rajoelina teo amin’ny fitondrana ? Fandrebirebena nentina nanafenana ny fangoronan-karena nataony, izany raha tsorina no nataon’ny filohan’ny HAT sy ny forongony fa tsy fitiavan-tanindrazana velively.
Fanadihadiana Tsy tokony havela fotsiny amin’izao anefa ireny volam-bahoaka ireny. Ilaina ny fanadihadiana misokatra mba ahalalana ny tena marina mikasika ny fomba nandaniana io vola be mitentina 1.800 miliara Iraimbilanja io. Tsy ny vola azo avy tamin’ny Wisco ihany anefa no voakasik’izany fa ireo vola be tsy fantatra nanjavonana nandritra iny Tetezamita iny. Tsy hisy fampandrosoana azo antenaina eto amin’ny firenena rahatoa ka vita mora foana tahaka izao hatrany ny fandaniana volam-bahoaka ataon’ny mpitondra, indrindra moa ka mpanongam-panjakana.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.