Tamin’ny alalan’ny fampirantiana sary sy fijoroana vavolombelona tamin’ny sabotsy teo, teny amin’ny “Au Bon Accueil” Ambatonakanga no nanokafan’ny “Fikambanana 13 mey” sy ny fikambanan’ny mpanao gazety zokiolona ofisialy ny hetsika fanamarihana ny fahatsiarovana ny faha-40 taonan’ny 13 mey 1972.
Tolon’ny mpianatra dokotera tetsy Befelatanana ho fitakiana ny fanatsarana ny tontolon’izy ireo amin’ny ankapobeny no niantombohan’ny hetsika raha ny fanazavana azo dia nitohy tamin’ny fitakiana ny fanagasiana ny fampianarana avy eo (Tsy tantin’ny mpianatra ny hoe ny eny Befelatanana doketeran’Ambanivohitra fa ny eny Ankatso dokoteran’ny Andrenivohitra, hoy i Me Olala. Tsy nisy resaka politika sy fanonganam-panjaka izany ny fiatombohana, hoy ny CST Alain Ramaroson ary efa nilamindamina aza ny resaka rehefa nikabary teny Alarobia ny filoha lefitra Tsiebo Calvin saingy ilay kabarin’ny filoha tamin’ny fotoandrony tany Ranomafana sy ny resaka “Tsak, tsak zato arivo” no nampitroatra ny vahoaka. Ny fitakiana ny hamerenena an’ireo mpianatra nosamborina teny Ankatso ka nalefa tany Anosilava no nanamafy izany, hoy Atoa Rakotondrasoava Georges (mpanao gazety zokiolona) izay tsy raiamandrenin’ny mpianatra tamin’izany fa tsy nandray anjara nivantana tamin’ny tolon’ny mpianatra tsy akory.
Nisy Malagasy iray nonina tany Frantsa tamin’ireny fotoana ireny nijoro vavolombelona tamin’ny fihetsiketsehana nataon-dry zareo tany ivelany tany tamin’io 13 mey 1972 io. Nisongadina koa ny nanamarihan’ny mpanao gazety iray nanatri-maso ny zava-nitranga tany Mahajanga tamin’ireny vanim-potoana ireny ka nilazany am-pahibemaso fa nisy zanaka mpitondra fanjakana tamin’iny Repoblika voalohany iny nitifitra olona an-kitsirano avy eny an-davarangany ankoatra ireo tifitra nataon’ny FRS taty Iarivo. Avy amin’ny fanontanian’ny Tia Tanindrazana no namalian’ny mpikarakara fa tsy nisy ambadika politika ny tolon’ny mpianatra teny Ankatso ary tsipaipaika no nanaovana ireny trakita marobe nozarazaraina tamin’ny fotoanan’ny fitokonana ireny.
Fantatra avy amin’ny fanamarihana azo teny Ambatonakanga koa fa niandohan’ny fahamafisan’ny tolona nataon’ireo mpianatra ho dokotera teto Antananarivo tamin’ny taona 72 ny fahafatesan’Itpkl Randrianarisoa Modeste (18 taona) mpianatra tao amin’ny sekoly Lovasoa Ambalavao, maty voatifitry ny mpitandro ny filaminana tamin’ny fotoanandro ny alatsinainy 8 mey 1972 ary nentina natao « autopsie » taty Andrenivohitra ho fanamarinana fa tena notifirina no nahafaty azy. Naseho tao amin’ity toerana ity rahateo ny sary an-gazety (Gazety Hehy 1972) naneho ity trangan-javatra iray ity.
Marihina fa hitohy rahampitso talata 15 sy alarobia 16 ary alakamisy 17 mey etsy anoloan’ny Hotel de Ville ny fampirantiana ny 13 mey 72 ataon’ny fikambanan’ny mpanao gazety zokiolona sy ny fikambanana 13 mey 72 mifandrindran-dalana amin’ny famelaberan-kevitra sy resadresaka hifanaovana eny Ambatonakanga (Au bon Accueil) ny tolakandron’ireo andro ireo ihany.
Manohy
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.