Politique

1157 miliara ariary nanjavona Hohenjehina ny olon-dRajaonarimampianina…


  • Sabotsy 23 Febroary 2019

Mametraka ny politika tsy misy fandeferana na “zero tolerance” eo anatrehan’ny fahatrarana trangana kolikoly, indrindra ny fitantanana ny raharaham-panjakana ny fitondrana.

 

Resahiny ny tatitry ny Komity nasionaly mpanara-maso ny tsenam-panjakana, fa ny 53% tamin’ny taona 2017 dia nisy tsy fahatomombanana na tsy fanarahan-dalàna. Ny tsenambaro-panjakana anefa, dia miantoka ny 9 hatramin’ny 10% amin’ny harin-karena faobe na ny PIB eto Madagasikara. Nalefa ny toromarika amin’ny hanaraha-maso lalina ny tsenan’asa tsy misy akory na foromporonina hahafahana maka ny volam-panjakana. Ho an’ny taona 2017, nahatratra 1157 miliara ariary ny vola ambara fa voahodinkodina tamin’io karazana afera maloto io. Ho afa-maina fotsiny ary ve ny tompon’antoka tamin’io volabe voalaza fa voahodinkodina io ? Mety hiainga ny fanenjehana olona ambony tamin’ny fitondrana Rajaonarimampianina, ka hisy hanara-dia an-dry Claudine Razaimamonjy, raha izao fandehany izao. Miezaka mivoy ny fanjakana ankehitriny fa tena hiady amin’ny kolikoly amin’ny endriny maro, ary izay no atao porofo amin’ny fisamborana sy fanagadrana mpandraharaha amin’izao. Raha tsy fangaraharan’ny fahazoana tsenan’asam-panjakana anefa dia ny fanjakana tetezamita notantanan-dRajoelina no tompondaka. Nangaraharaha ve ny  tsenam-barom-panjakana tamin’ny nananganana ny Colliseum, hopitaly marana-penitra ? Mba voasoratra tao anaty tetibolam-panjakana ve ? Raha ny filaharan’i Madagasikara amin’ny resaka ady amin’ny kolikoly, dia faha-82 amin’ny firenena 146 tamin’ny taona 2004 nananganana ny Bianco; faha-85/180 ny taona 2008. Nitotongana nanomboka ny fanonganam-panjakana 2009, ary taty amin’ny fiafaran’ny tetezamita, dia faha-127/180. Mitohy ny zavatra tsy mangarahara satria na ny nampidirany sy nividianany fiara raitra ho azy sy fiara mpiady miaro fitaovam-piadiana teto aza maizina tamin’ny rehetra. Sivily ve afaka manafatra fitaovam-piadiana ? Volany fa nonerana tamin’ny volam-panjakana ve avy eo ? Mpitari-bato vilam-bava ny mpitondra, izay mampitandrina mafy ny eo ambany fifehezany amin’ny kolikoly kanefa ny mpitondra faratampony milaza hanome aza izy indray no matsatso.

 

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ALAIN MAHAVIMBINA
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Mety ny manao dinika

  • Dinika fanavotàm-pirenena
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

«Miha mibaribary ny

  • Kristianina
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

mandinika raharaham-pirenena

  • PR
  • Talata 20 Oktobra 2026

JOSEPH HARIMALALA

  • GEN Z
  • Talata 20 Oktobra 2026

POUR LA REFONDATION

  • Depiote teo
  • Talata 20 Oktobra 2026

aloha Ninah sy ny zanany

Hijery ny tohiny
FTT