Feno 10 taona katroka anio ny raharaha 7 febroary 2009, nisian’ny ra mandriaka teny amin’ny Ambohitsorohitra rehefa nomen’i Andry Rajoelina sy ny ekipany toromarika hanani-dapa ny olona teo amin’ny 13 mey
fa hoe hametraka amin’ny toerany ny praiminisitra Monja Roindefo izay notendrena teny an-dalambe. I Marc Ravalomanana no nohelohin’ny fanjakana tetezamita ho mpandatsa-dra tamin’izany. Tsy afa-niala tamin’iny fanaovana sorona ny Malagasy sy ra mandriaka iny anefa ny filoha ankehitriny Andry Rajoelina na inona na inona lazaina eto, satria izy no nitarika ny hetsika teny amin’ny kianjan’ny 13 mey, nisoratena ho filoha ary nanendry praiminisitra. Tsy maintsy hadihadiana izy raha atao ny fitsarana tena tsy mitanila momba iny raharaha 7 febroary 2009 iny. “Halaintsika ny lapantsika”,izany no resaka niainga teny amin’ny kianjan’ny 13 mey tamin’io andro io. Naroso ho faty ireo olona fa ireo mpitarika kosa tsy hita popoka tamin’io. Na ny fikambanana AV7 aza taty aoriana nizarazara tanteraka ka tao ny niaraka tamin’ny fanjakana HVM ary tao no niaraka tamin-dRajoelina. Tsy fantatra mazava hatramin’izao ny momba ny tifitra sy ny fandatsahan-dra, na dia nisy aza ny fitsarana kimaimaika nanamelohana olona. Ny toe-javatra iray mety hahafaha-milaza fa ny mpanongam-panjakana tamin’izany no tao ambadiky ny raharaha 7 febroary, dia voarakitra anaty horonantsary ny teti-dratsy sy ny fivoriana politika nataon’ireo mpanao politika niara-dia tamin-dRajoelina tamin’ireny fanonganam-panjakana 2009 ireny. Notaterin’ny fandaharana «Reporters» vokarin’ny fahitalavitra Frantsay France 24 tamin’ny alalan’ny mpanao gazetiny Virginie Herse sy i Cyril Vanier ny 24 martsa 2009 io horonantsary nikononkonina ra mandriaka io, mba hoenti-manasoketa an’i Marc Ravalomanana. Mivoitra sy voarakitra ao anatin’io horonantsary io ny tenin’izy ireo hoe : tsy maintsy manao «accusation» na fanamelohana an’i Marc Ravalomanana. «Lazaina, ohatra Ravalomanana dia “criminel” (mpamono olona) na koa Ravalomanana ‘traître’ (mpamadika tanindrazana)», hoy ny resak’ireo mpanao politika nentina nampahomby ny fanonganam-panjakana. Mpanao politika maro no nikaon-doha tao anatin’io fivoriana politika io toa an-dry Harinaivo Rasamoelina, Roland Ratsiraka, Augustin Andriamananoro, Haja Resampa, Georges Ruffin, Pierre Houlder, Alain Ramaroson, Cyrille Rasambozafy, Patrick Monibou, Ramakavelo Désiré Phillipe, Ny Hasina Andriamanjato, Lahiniriko Jean, Reboza Julien, Lieutenant-colonel Fidimalala, Lieutenant-colonel Sondrotalata,…
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.