Politique

1 mey fetin’ny asa Nivaky roa ny sendika


  • Alatsinainy 02 Mey 2016

Ela ny ela fa nivaky roa ny sendika izay miady ho amin’ny fanatsarana ny tontolon’ny asa eto amintsika

 

. Ankoatra ny hetsika izay notanterahin’ny SEKRIMA sy ny afo sendikaly teny amin’ny kianjan’Alarobia  omaly alahady mantsy dia nanatanteraka ny azy teny amin’ny kianja mitafon’i Mahamasina ihany koa ny CTM ( Conférences des Travailleurs de Madagasacar) omaly izay nanamarika ny fetin’ny asa toy ny isan-taona mihitsy fa tsy nisy ambadika. Amin’izy ireo mantsy dia tsy mety ny fanakambanana ny tontolon’ny asa sy ny resa-politika. Na izany aza dia mba manan-javatra takiana amin’ny fanjakana  ihany koa izy ireo. Anisan’ireny ny fanamafisana ny famoahana ny lalàna vaovao mifehy ny fiahiana ara-tsosialy izay efa novolavolaina teo anivon’ny minisiteran’ny asa sy ny asam-panjakana tamin’ny taona 2010 ary nampanantenain’ny minisitra fa ho vita ao anatin’ny telo volana saingy tsy hita hatramin’izao. Eo ihany koa ny famerenana indray ny fifampidinihana  eo amin’ireo tompon’andraikitra misahana ny asa eto amintsika sy ny fanjakana ankoatra ny  fijerena manokana ny  tsy fisian’ny asa eto amintsika, ny fanararaotana hataon’ny mpampiasa amin’ny asa izay tokony handraisan’ny fanjakana andraikitra goavana.


Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien AimĂ©
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT