Politique

07 febroary Tsy nisy akony tao Vakinankaratra


  • Alakamisy 09 Febroary 2012

Tsy nampiraika ny mponin’Antsirabe ary tsy nisy akony akory tao an-toerana ny kabarin’i Andry Rajoelina teny Ambohitsorohitra ny andron’ny 07 febroary lasa teo.

 Saika hatezerana aza no nasetrin’ny olona ilay kabary fa noho izy mifono fankahalana tsotra izao. Anisan’ny fanamarihan’ny olona ihany koa fa henatra ho an’izay fiangonana nitarika ny vavaka iraisam-pinoana teny an-toerana ireny kabary ireny satria tsy hita taratra mihitsy ny maha kristianina mahay mamela heloka an’i Andry Rajoelina. Ho an’ireo mpanara-baovao ao Antsirabe dia efa hita amin’ireny ny fialan’ireo mpanohana an-dRajoelina satria efa karamaina ny olona mbola tsy mahazo ihany. Hatreto dia karazan’ny manao tsipaky ny miala aina sisa Rajoelina raha ny resaka mandeha ao Antsirabe manoloana ny fihetsika ataony, hoy ihany ny olona, saingy mbola manana ireo miaramila mpomba azy dia mbola mirehareha. Nambaran’ireo olona nanontaniana moa fa dia henatra ho an’ireo namoy havana iny hetsika teny Ambohitsorohitra iny fa ataon’ny mpanongam-panjakana fiarovana ny sezany fotsiny izy ireo.
Caïus R.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Kaominina Antsirabe I
  • Talata 12 Mey 2026

Nametra-pialana ny ben’ny tanàna…

  • Politika
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Notendrena ho mpanolo-tsain’ny

  • Razafindrandriatsimaniry Dieudonné Marie Michel
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Fametrahana aty ifotony ny fitsinjarana

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

  • Namaly an’i Roland Ratsiraka
  • Alakamisy 07 Mey 2026

ireo fiarahamonim-pirenena

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

Hijery ny tohiny
FTT