Politique

07 febroary Tsy mbola misy fanadihadiana ofisialy


  • Alarobia 08 Febroary 2012

Telo taona katroka omaly no nisian’ny fitifirana olona maro teny anoloan’ny lapan’Ambohitsorohitra.

 Tsy mbola misy mangirana anefa momba io raharaha io, izany hoe tsy fantatra izay nanome baiko nitifitra ary mbola mijanona ho baraingo koa ny andraikitr’ireo nitarika vahoaka hanani-dapa tamin’izany. Nanambara i Monja Roindefo omaly tolakandro teny Ambotsirohitra raha nanatitra fehezam-bonikazo ho an’ireo lavo nandritra iny 07 febroary iny fa tsy mbola nisy ny fanadihadiana ofisialy hatreto. “Sady tsy nanome baiko hanokafana fanadihadiana momba an’iny aho tamin’ny fotoana naha praiminisitra ny tenako no sady tsy nahazo tatitra avy amin’ny vaomiera manokana nisahana izany raha nisy tokoa ny fanadihadiana. Tsy fantatra hoe nomena an’iza sy nankaiza ny valin’ilay fanadihadiana”. Notsoriny noho izany fa natao an-tsokosoko ilay fanadihadiana. Milaza ho tsy manan-kambara koa ny tenany momba ny fiampangana ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana ho mpanome baiko nitifitra tamin’io Sabotsy Mena io. Mbola nanamafy koa ity filoha nasionalin’ny antoko Monima ity fa toerana samihafa no niavin’ny tifitra tamin’ny 07 febroary saingy tsy afaka hanambara ny fiavian’izy ireny ny tenany satria tsy manampahaizana manokana momba ny bala.

Yves

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

Hijery ny tohiny
FTT