Zafiharinivo Randriarimanana

«Tano ny maha izy anao raha te hampandroso Firenena!»


  • Alakamisy 28 Aogositra 2025

Tena matanjaka be aty Afrika, indrindra, eto Madagasikara ny fitsaboana nentim-paharazana,

hoy ny mpitantana ny Fahasalamàna mamiratra, Zafiharinivo Randriarimanana. Niaka-dapa mihitsy ny ravin-javatra rehetra tamin’ny COVID, hoy izy. Namidy toy ny fivarotana anana teny an-tsena izany ary ny malagasy rehetra niantehitra tamin’izany daholo. Tsy nitovy tamin’ireo firenena rehetra nanana maty isika. Hita mihitsy hoe nombàn’Andriamanitra tamin’ny fomba manokana. Olona tena ela velona ny malagasy taloha. Niteraka betsaka ary mahalatsaka ny zanany tsy nodidiana. Natahotra mpaka fo sy mpaka rà dia nihinam-paraky. Tsy nisy mpanao nify teto fa nentiny nody mihitsy ny nifiny. Ny volon-dohan’ny malagasy tena volobe nefa tamin’izany mbola tsy nisy mpanao volo. Misy tombam-bidy be lavitra eo amin’ny lafiny fahasalamàna izany ny fampiasàna ireo fitsaboana nentim-paharazana ireo raha mitaha amin’ny fitsaboana hafa. Raha te hampandroso firenena ianao dia tano ny maha izy anao! Fantaro koa nefa ny an’ny hafa. Somary mitotongana ny fiazonana ny maha izy azy antsika! Aleo hampianarina ny taranaka ireo maha izy azy antsika! Voambaka ny fitsaboana nentim-paharazana eto amintsika. Raha mijery ny Baiboly nefa dia mahita fa tena mifanaraka amin’ny voalaza ao ny fitsaboana nentim-paharazana malagasy. Rehefa izay tianao raisina ao ihany kosa no raisinao dia lasa halanao ilay izy. Nanomboka tamin’ny fanambaniana fitsaboana nentim-paharazana no naha resy antsika. Raha tsy natao tsinontsinona ny ody bala tsy toy izao isika. I Heroda matoa maty lanin’ny kankana, araka ny voalazan’ny Baiboly, dia satria izany izy tsy nihinana ody kankana. Tsy azo ambanimbaniana izany ny ody. Mampiasa ody sery isika. Mampiasa ody kohaka fa misy mpanjanaka mampianatra izay tiany ampianarina dia manala izay tiany hongotana anatin’ilay soratra masina dia lazaina fa mifanipaka amin’ny Baiboly ny asa fitsaboana nentim-paharazana malagasy. Vita mialohan’ny olona ny zava-maniry, vato, rano, masoandro, rivotra, noho izany, voatsodranon’Andriamanitra ho ampiasaintsika ireny. Na ireo magy nahita ny toerana nahaterahan’i Jesoa aza nijery kintana ary amin’ny fiverenan’i Jesoa Kristy eny amin’ny lanitra koa dia voalaza fa hisy famantarana eny amin’ny lanitra, hoy hatrany ny tenany. Marihina anio alakamisy 28 aogositra 2025 moa ny andro Afrikanina ho an’ny fitsaboana nentim-paharazana.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : kolontsaina

  • Honorat Fou hehy
  • Zoma 17 Aprily 2026

Efa tsara fandraisana

  • Festival de Tsapiky
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

Nafaran’ny fitondram-panjakana manokana i Tirike

  • Tsaho ny filazana fa maty
  • Talata 07 Aprily 2026

i Honorat Fou hehy

  • Mpanakanto Shyn
  • Alatsinainy 30 Martsa 2026

"Mbola tsy hita ny hazavana"

  • Famelomana ireo tantara
  • Alatsinainy 30 Martsa 2026

an-tsary fahiny

  • Fanavaozana ny Firenena
  • Alakamisy 26 Martsa 2026

« Mila mifaka amin’ny «

Hijery ny tohiny
FTT