Fanavaozana ny Firenena

« Mila mifaka amin’ny «


  • Alakamisy 26 Martsa 2026

Famerenan-kasina ny fokonolona » ! »

Natomboka omaly tamin’ny alalan’ny famelebelarana sy fifanakalozan-kevitra tetsy amin’ny Ivon-toerana Arrupe etsy Faravohitra ny hetsika : « Famerenan-kasina ny fokonolona, hifandrimbonan’ny Malagasy ». Navoitra fa ao anatin’ny vanim-potoana lehibe i Madagasikara amin’izao ao anatin’ilay hoe : « refondation », tsy maintsy miverina ifotony, tsy maintsy ny fototra aloha dia ny fokonolona hoe :ahoana ny hahafahantsika mamerina amin’ny laoniny ny hasin’ny fokonolona, fototra iorenan’ny fandraisana andraikitra, fiaraha-mientana, fanovana hatrany ifotony ? « Tsy misy fampandrosoana miainga raha tsy avy any ifotony, ka tsy maintsy jerena ny rafitra, toekarena, ny fizakan-tena izay voalohany ny ao an-tokantrano. Raha tsy ny isan-tokantrano sy ny fokonolona no mizaka tena tsy handroso i Madagasikara. Ny tanora no 65-70% amin’ny fokonolona, ka rariny raha mijery an’io miaraka amin’ny tanora, manome herijika vaovao amin’ny fandraisana anjara ho famerenan-kasina ny fokonolona hery manova ny fiarahamonina. », hoy i Atoa Ralaivao Lovatiako Mpanabe Tanora. « Mila haverina sy hamafisina indray ho fantatry ny rehetra ny soatoavina’ny fokonolona: firaisankina, fampihafanana, fiarahana manapa-kevitra, fiarahana mandroso. Miainga amin’izay ny hahafahana mampandroso na fampandrosoana ifotony io na fampandrosoana ara-toekarena », hoy kosa Atoa Anicet Zafindahy, mpitarika tanora. Notsindrian’Atoa Lanto Ratsida mpahaifiarahamonina eo anivon’ny Observatoirede la jeunesse ksoa fa mivoatra noho ny fifandraisany amin’ny avy any ivelany ny fiarahamonina, mitondra fomba fiaraha-miaina vaovao,... « Miresaka fanavaozana isika, ny tena nampiova ny fiarahamonina rehefa dinihina dia lasa tsy misy fiaraha-mientana hiaraka hampandroso », hoy i Lanto Ratsida. Fahiny ohatra, dia ny fiarahamonina no miaraka manao asa vadi-drano , toy ny fanamboarana fefiloha, tanimbary,... Ankehitriny, lasa nisy ny kolontsain’ny fiolonolonana na ny « individualisme » izay nampiova zavatra be. Izao lasa hoe fahitana mpiara-miombon’antoka, fahitana famatsiam-bola,… no zava-dehibe fa tsy fiaraha-mientan’ny fokonolona, ka lasa mifampiolononolona na fotodrafitrasa sy soa iombonana aza. Noho iany, ny zavatra tsy resahana dia maty ho azy, ka ny firesahana azy dia mamelona indray ny « fokonolona ». Tsy maintsy iarahana midinika ny hoe ahoana no hamerenana ny fokonolona ho fototra hijoroan’ny fiarahamonina Malagasy ? « Izaho rehefa manazava ny olana politka rehetra izao, dia tsy mahagaga ahy raha tsofin’ny rivotra ohatr’izao ity fiarahamonina satria fiarahamonina tsy misy fotony satria ny fototry ny fiarahamonina Malagasy dia ny fokonolona. », hoy hatrany i Lanto Ratsida. Tsy fiantsoana ny fokonolona eto fa tapatapahana fotsiny any ambony ny zavatra atao, ka ny tokony hatao, raha ity fanavaozana ity ohatra, dia manontany ny fokonolona izay ny tanora no maro an’isa, tsy hoe ny depiote, na ben’ny tanàna, na firaisamonim-pirenena,… Raha tafaverina izay afaka mifaka amin’ny fokonolona izay, hoy izy, dia hiha hatanjaka ohatran’ny firenena matanjaka rehetra manana ny faka ifaharany isika.
Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : kolontsaina

  • Honorat Fou hehy
  • Zoma 17 Aprily 2026

Efa tsara fandraisana

  • Festival de Tsapiky
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

Nafaran’ny fitondram-panjakana manokana i Tirike

  • Tsaho ny filazana fa maty
  • Talata 07 Aprily 2026

i Honorat Fou hehy

  • Mpanakanto Shyn
  • Alatsinainy 30 Martsa 2026

"Mbola tsy hita ny hazavana"

  • Famelomana ireo tantara
  • Alatsinainy 30 Martsa 2026

an-tsary fahiny

  • FETIN'NY PASKA AO ANTSIRABE
  • Alarobia 25 Martsa 2026

Hangotraka ny fiarahana amin'ny Star

Hijery ny tohiny
FTT