Tonga ny kabeson’ny Mpanjaka Toera

Somary nialohavana fifandirana ara-tarananaka sy ara-pomba…


  • Alarobia 03 Septambra 2025

Tafaverina eto Madagasikara ny 01 septambra teo ny karandoha na

kabeso heverina ho an’ny Mpanjaka Toera, taorian’ny lanonana ara-pomba tany Frantsa ny 26 aogositra teo tao amin’ny Minisiteran’ny Kolontsaina frantsay. Razamben’ny Sakalava Menabe, novonoin’ny tafika frantsay tamin’ny 1897 ny Mpanjaka Toera, ka nentina natao ho mariky ny fandresena an’ady. 128 taona taty aoriana no tafaverina eto ny heverina fa kabesony niaraka tamin’ny an’ny mpitari-tafika roa. Nentina nomem-boninahitra teny amin’ny Fasan’ny Maherifo teny Andrainaivo omaly, ka nanaovana lanonana ara-panjakana. Arahin’ny lanonana eny Iavoloha ary, ary hiazo ny faritra Menabe anio, kasaina hapetraka ao amin’ny fasana ao Ambiky ny karandohan’i Toera, araka ny fanirian’ny Ampanjaka Harea Kamamy. Nisy ihany ny karazana fifandirana raha ny lahatsoratry ny Gazety Frantsay Le Monde. Nipoitra i Joe Kamamy, zafikelin’i Toera amin’ny lafiny reny, izay voalaza fa nikaroka ny karandoha nanomboka tamin’ny 2008, dia tsy manaiky ny maha-mpanjaka an’i Harea, izay efa nipetraka tany Frantsa 40 taona. Izy sy ny fianakaviany dia nanangana fasana vaovao tao Mitsinjo, ary maniry hametraka ny karandoha any, noho ny tahotra hosintonina ao Ambiky. Nisy fisalasalana teo amin’i Harea Kamamy ihany koa, noho ny tsy fanajana ny fomba amam-panao Sakalava, toy ny daty ara-panahy izay tokony ho an’ny dady sy mpahay faminaniana no manambara. Na izany aza, tonga ihany izy, noho ny tahotra sao ho entin’ny olona tsy ara-dalàna ilay karandoha. Nanao toromarika ny Minisitry ny Serasera sy ny Kolontsaina Malagasy mba tsy hisy savorovoro, raha nilaza ny Minisitra Frantsay Rachida Dati fa zava-nitranga ara-tantara ity famerenana ity. Hoy Volamiranty Donna Mara: “128 taona no nisy fahabangana tao am-pon’i Madagasikara.” Tsy nisy tetibola navoakan’ny fanjakana ho amin’ny lanonana mendrika any Menabe, hoy Harea, raha ny nolazain’ny Gazety Le Monde. Tsy voatsara ny fasana ao Ambiky, ary tsy afaka nandeha tany Paris ireo mpitondra fomban-drazana dimy. Na izany aza, ho an’ny fitondrana Rajoelina, dia nambara fa zava-dehibe ara-politika ity famerenana ity. Araka ny mpahay tantara Denis Lahiniriko, dia lasa fitaovana ara-pahatsiarovana hanamafisana ny maha-ara-dalàna ny fitondrana, amin’ny alalan’ny firaisan’ny Malagasy manohitra ny fanjanahan-tany, araka ny fanehoan-kevitra notaterin’ny Le Monde. Kasaina hotanterahina amin’ny tapak’ity septambra ity any Belo-sur-Tsiribihina ny lanonana ara-pomba, raha tsy misy fanelingelenana avy amin’ny fianakaviana mpanjaka, raha ny lahatsoratr’io gazety vahiny io. Zava-dehibe amin’ny lafiny tantara sy kolontsaina ny fahatafaverenan’ireo kabeso, indrindra fa ho an-dry zareo Sakalava.
Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : kolontsaina

  • Honorat Fou hehy
  • Zoma 17 Aprily 2026

Efa tsara fandraisana

  • Festival de Tsapiky
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

Nafaran’ny fitondram-panjakana manokana i Tirike

  • Tsaho ny filazana fa maty
  • Talata 07 Aprily 2026

i Honorat Fou hehy

  • Mpanakanto Shyn
  • Alatsinainy 30 Martsa 2026

"Mbola tsy hita ny hazavana"

  • Famelomana ireo tantara
  • Alatsinainy 30 Martsa 2026

an-tsary fahiny

  • Fanavaozana ny Firenena
  • Alakamisy 26 Martsa 2026

« Mila mifaka amin’ny «

Hijery ny tohiny
FTT