kolontsaina

Gaby Vakiniadiana “Tsy azo ahitsy ny lalàna fototra.”


  • Zoma 22 Septambra 2017

Anisan’ireo elatra mbola mijoro ho mpanohitra izao fitondrana mijoro izao ny antoko Vahoaka MIray ( VAMI). Naneho ny heviny mikasika ny fihetsiky ny filoham-pirenena tato ho ato ny sekretera jeneraliny, Gaby Vakiniadiana. Ny tafany tamin’ny gazety Tia tanindrazana.


Tia tanindrazana (TT) : Maro ireo fihetsiky ny filoham-pirenena tato ho ato araka ny filazan’ireo mpankasitraka azy. Ny hevitrao ?

Gaby Vakiniadiana (GV) : Ny Vahoaka MIray dia anisan’ny nitaky ny fanovana lalàmpanorenana. Tsy fanovana anefa ilay kasaina hatao fa fanitsiana. Aminay, na manova na miala no takianay amin’ny filoham-pirenena. Io lalàmpanorenana io no nahalany azy. Nitondra izy tamin’ny tetezamita ka maninona raha tamin’izany no nahitsy ny lalàmpanorenana ? Ny lalàna fototra aminay tsy azo ahitsy fa io mila fidirana amina tetezamita iraisan’ny rehetra mihitsy dia manolotra karazana volavolan-dalàna mety na rafitra federalisma na repoblikanina na demokraty. Mikasika ny resaka fanovana governemanta dia niaraha-nahita fa ny efa tonta ihany no navadibadika. Aminay, ny vahoaka fotsiny no nofitapitahan’ny mpitondra satria tetika hitazonana toerana no misy. Matoa tsy tonga ilay 10 miliara dolara dia tsy matoky ny mpitondra antsika ny mpamatsy vola. Mikasika ilay fandraisana ny mpanao gazety teny Iavoloha ny sabotsy teo dia mbola averiko ihany, maninona no rehefa akaiky ny fotoana vao mody mampiantso ? Ny antony dia ilaina amin’ny taona 2018 ny mpanao gazety. Izahay eto dia manipaka tanteraka ny kolikoly.

TT : Inona no tena tsy nahafa-po anareo ?

GV : Na lalàmpanorenana na sosialim-bahoaka na fandriampahalemana …  dia tsy nahafa-po anay. Ny fanafodiny dia miala ny filoha. Efa ny zo fototra toy ny misakafo in-telo isan’andro mihitsy no tsy voahaja intsony. Feno Antanimora satria mahantra ny firenena. Lasan’ny Sinoa ny tany. Izany rehetra izany dia mampiseho fa tsy mahavita azy ny mpitondra. Mangataka izahay mba horarana tsy hivoaka ny tanin’ny repoblikan’i Madagasikara izay mpitondra mahavita ny taom-piasany fa hotsaraina eto ary hatsangana haingana ilay fitsarana manokana na HCJ.

TT : Tsy hamboly krizy vaovao indray ve izany tetezamita izany ?

GV : Ny krizy dia mbola misy hatreto. Ny mpitondra no mety afaka tamin’izany fa tsy ny vahoaka. Sao dia mila arodana mihitsy ny trano izay mibilabila hananganana fototra hanaovana trano vaovao ?

TT : Ny hafatrao farany ?

GV : Ny vahaolana fohy ezaka dia ny fananganana tetezamita iaraha-mitantana ao anaty firahalahiana. Tsy ho fitadiavan-tseza fa fitsinjovana ny taranaka faramandimby. Tsy ny fanomezana tany ho an’ny Karana sy Sinoa no vahaolana fa fanomezana asa ho an’ny vahoaka. Hatramin’izay, nisy ny lalàna hoe mahazo tany ny olona manambady fa tsy nomena. Vokany, ety an-drenivohitra ny olona no mandehandeha. Ny sasany matory an’arabe. Mba hanafoanana izany dia aleo mihitsy miaina lalàmpanorenana vaovao.

Nangonin’i J. Mirija

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : kolontsaina

  • Honorat Fou hehy
  • Zoma 17 Aprily 2026

Efa tsara fandraisana

  • Festival de Tsapiky
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

Nafaran’ny fitondram-panjakana manokana i Tirike

  • Tsaho ny filazana fa maty
  • Talata 07 Aprily 2026

i Honorat Fou hehy

  • Mpanakanto Shyn
  • Alatsinainy 30 Martsa 2026

"Mbola tsy hita ny hazavana"

  • Famelomana ireo tantara
  • Alatsinainy 30 Martsa 2026

an-tsary fahiny

  • Fanavaozana ny Firenena
  • Alakamisy 26 Martsa 2026

« Mila mifaka amin’ny «

Hijery ny tohiny
FTT